Vaovao telo goavana no indray mifanontona amin’ny fotoana iray. Voalohany, nomen’ny Frantsay alalana hitrandraka solika sy etona ao amin’ilay nosikely «Juan de Nova» ny orinasa nizerianina sy amerikanina.
Iray amin’ireo Nosy Malagasy atsy avaratra atsinanan’i Madagasikara bodoin’ny Frantsay i «Juan de Nova». Faharoa, raha tafaverina avy namonjy ny fivoriambe faha-70-n’ny Firenena Mikambana tany New York ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina ny tolakandron’ny alatsinainy 5 oktobra dia nilaza mazava fa tsy laharampahamehana ny amin’ireo nosy madinika malagasy “iles éparses”araka ny ahafantaran’ny Malagasy azy, fanambarana izay mifanohitra tanteraka amin’ny nolazainy nandritra ireo adihevitra nisesy tamin’ny fampielezan-kevitra ho an’ny fifidianana filoham-pirenena tamin’ny 2013. Fahatelo, naverin’ny governemanta Frantsay amin’ny Malagasy ireo vavatafondro vita amin’ny alimo miisa 12 hita tany ambany ranomasin’i Madagasikara tany. Natao teny ambony sambo frantsay «La Grandière», manao sarin’ady any amin’iny Faritra DIANA iny ny talata 6 oktobra ny lanonana mahakasika izany, ary nanaovana tatitra tamin’ny filankevitry ny governemanta notanterahina io andro io ihany koa. Fifanandrifian-javatra fotsiny ihany ve ireo sa mifamatotra ? Dia sanatria ve ireo vavatafondro vita amin’ny alimo ireo no takalon’ireo otrikarena tsy hita pesimpesenina raketin’ilay nosikely «Juan de Nova» ? Na izany aza, iza koa no afaka miantoka fa tena vita amin’ny alimo tokoa ireo vavatafondro ireo ? Efa nahavoa antsika Malagasy mantsy ilay vongan-javatra nambara fa volafotsy milanja 50kg mahery, nalain’ny piraty, avy eo nanaovana lanonam-be tany Sainte-Marie ny famerenana azy amin’i Madagasikara, kinanjo fotoana vitsy monja taty aoriana dia nolazaina indray fa hosoka ilay izy fa firaka no tena marina.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.