Politique

Norbert Lala Ratsirahonana Nahatonga ny krizy, hoy i Eliana Bezaza


  • Alatsinainy 10 Desambra 2018

Anisan’ireo kandida ho filoham-pirenena tamin’iny fihodinana voalohany iny ny natolotry ny antoko politika PSD, Eliana Bezaza.

 

 

Nanapa-kevitra ny hanohana ny kandida laharana faha-25, Marc Ravalomanana moa ny tenany, amin’izao fihodinana faharoa izao. Antony tsy hanohanako ny kandida laharana faha-13, hoy izy, dia satria fahavalon’ny fitsinjaram-pahefana. Mbola ao ilay mpanolotsaina malaza izay azo lazaina hoe “Grand Gourou” nahatonga ireo krizy teto amin’ny firenena. Rehefa miresaka hoe Norbert Lala Ratsirahonana isika dia krizy izay no dikany, hoy hatrany ny fanazavany. Izy no fototr’ireo fifanarahana tsy tanteraka rehetra toy ny tany Dakar tamin’ny taona 2002 sy ny tany Maputo tamin’ny 2009 ireny ohatra. Mbola dian-tanany ihany koa io lalàm-panorenana mampivangongo ny fahefana eo amin’ny filoham-pirenena tsy mety mahatafavoaka antsika amin’izao io. Aleo mifidy izay efa nilaza fa mpanangana fa tsy mpandrava, hoy hatrany Eliana Bezaza.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

Hijery ny tohiny
FTT