Toy ny efa nahafantarana azy hatramin’ny taona 1991 dia anisan’ireo mpitari-dalana fanonganam-panjakana ny mpahay lalàna sady filohan’ny antoko politika Asa Vita no Ifampitsarana (AVI), Norbert Lala Ratsirahonana.
Tao ambadik’ireny raharaham-pirenena namaivay rehetra teto ireny hatrany ny tenany. Efa nilaza izy fa ny fiaraha-miasa tamin’ny filohan’ny tetezamita teo aloha, Andry Rajoelina, izay sokajian’ny fianakaviambe iraisam-pirenena ho mpanongam-panjakana na “Putschiste” no nahafinaritra azy indrindra. Nohamafisiny tetsy amin’ny Panorama Andrainarivo niaraka tamin’ny antokony izany ny sabotsy 1 septrambra teo. Nambarany fa mbola hanohana ny filohan’ny antoko TGV indray izy. Nalaza ho tsy mangingina foana sy tsy mipiripirina fahatany izay ity mpanao politika ity saingy rehefa mipoitra izy dia ireny niaraha-nahita tamin’ny taona 2009 ireny no vokany. Efa nodinihinay tamin’ny antsipiriany ireo kandida rehetra na ny fahaizany na ny toe-panahiny na ny traikefany na ny fiomanany na ny zava-bitany na ny kolikoly nataony, hoy izy. Na izany aza, naleony nisafidy hanohana mpanongam-panjakana izay fototry ny fahaverezan’asa nahakasika Malagasy an’aliny sy nampitombo ny taham-pahantrana teto ho 92%. Fanapahan-kevitra tsy vaovao amin’ny maro ny azy, satria efa nisotroany ny aleoko maty.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.