Very 10 taona i Madagasikara raha tarafina amin’ny tantara sy ny zavatra niainan’ny firenena nanomboka ny faramparan’ny taona 2008 nikotrehana fanonganam-panjakana. Ny fihodinana faharoa amin’izao fifidianana filoha ankehitriny izao dia tandindon’ny « ni…ni… » tamin’ny taona 2013 miampy ny fanjakana Rajaonarimampianina, saingy miverina amin’ny tany aloha isika ankehitriny.
Fitsapan-kevi-bahoaka tokony ho natao tamin’ny taona 2008 ny hoe : havela hamita ny fe-potoana hiasany ve i Marc Ravalomanana sa hanao fifidianana mialoha ny fotoana ? Mila novahana tamin’ireny ihany koa ny olana raha tena nisy ny fitiavan-tanindrazana. Tsy izay anefa no masaka tao an-dohan’ny mpanongam-panjakana fa ny hahazo fahefana. Rehefa manongana dia tokony hahavita tsaratsara kokoa noho ny naongana raha fampandrosoam-pirenena. Tsy izay no nafitsok’i Andry Rajoelina sy ny forongony fa nitotongana tamin’ny lafiny rehetra ny zava-drehetra. Matoa manongana dia tokony hahavita tsaratsara kokoa. Na i Andry Rajoelina tenany aza dia te hikosoka mafy ny tantara ary aleo ny ho avy no hobanjinina, hoy izy. Na inona na inona anefa fanadiovan-tena sy fiezahana hanatsara resaka, dia niiba na « négatifs » ny fitondrana tetezamita. Ny fanondranana harem-pirenena no nalaza satria niroborobo ny fanondranana boaderozy. Ny vazaha tsy nandova tany na 1m2 teto amintsika tahaka an-dry Patrick Leloup aza mahavita miantso mpitrandraka harena ankibon’ny tany eto mba hitrandraka an’i Betsiaka sy Maevatanana noho ny fanjakan-jiolahy teto nanomboka ny 2009. Tahaka izany ve no heverina fa hahavita hitondra fampandrosoana ny firenena ? Nahanjahanjan’ny sehatra iraisam-pirenena tamin’ny alalan’ny Vondrona Eoropeanina iny fa nizara vola tamina toerana maro teto amin’ny firenena i Andry Rajoelina nandritra ny propangandy. Ireny niaraha-nahita ireny anefa ny vokatra fa zara raha nisy 3% mahery ny elanelana teo aminy sy i Marc Ravalomanana tamin’ny fihodinana voalohany. Efa iny aloha no heverina fa vokatra tsara indrindra na “plafond” ho an’iny kandida iny. Efa volabe no natontona tao saingy ireny ny vokatra. Ny dosie maloto any ampita anefa mandindona ka izany no mety saika hanaovana amboletra tamin’ny hoe fihodinana voalohany dia vita, fa tsy nahomby e !
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.