Tapitra omaly ny fotoam-piasan'ny biraon'ny fikambanana HAFARI Malagasy etsy Anosizato Atsinanana rehefa niasa nandritra ny telo taona. Fahombiazana tamin'ny ankapobeny no azo, indrindra fa tamin'ny fitantanana ny vola voangona ka nahafahana nanasoa ny mpiara-belona sy ireo mpikambana manerana ny Nosy
. Raha araka ny tatitra nataon'ny filohany Rafanomezantsoa Jean Nirina omaly dia nahatratra 275.619.000 Ar ny vola niditra tamin'izy ireo nanomboka ny taona 2012 ka hatramin'ny faran'ny taona 2014 izay vokatry ny herim-pon'ny mpikambana sy ny latsak'emboka nataon'izy ireo avokoa na tamin'ny tetikasa fifindra-monina izany na tamin'ny resaka fiarovana ny zon'olombelona. 233.664.000 Ar tamin'io no vola nivoaka raha 41.975.500 Ar no tavela eo am-pelatanana sisa. Manana fiara miisa dimy ny fikambanana, manana efitrano fampianarana ihany koa etsy Anosizato miampy ireo tranony miisa efatra eny Soaniedanana ka ny iray amin'ireo no misy rihina. Manana milina mandeha amin'ny herinaratra miisa telo ihany koa ny fikambanana izay 9 tapitrisa Ar no vidin'ny iray, 3 tapitrisa Ar ny faharoa ary 6 hetsy Ar ny iray farany. Miampy tany 20ha ireo, sonorisation feno ankoatra ny fitaovana rehetra toy ny solosaina, ny seza, ny latabatra. Nanatanteraka ny fifidianana ny birao vaovao omaly ny mpikambana rehetra ka fantatra fa hisy ny fanovana ny birao haka endrika nasionaly ankoatra ny fanovana ny statut-n'ny fikambanana. Nomarihin'ny filoha nasionaliny moa fa tsy mbola manana mpamatsy vola ny fikambanana hatreto raha efa mahatratra 37.000 kosa ireo mpikambana eto amin'ny Faritra Analamanga. Hatolotr'izy ireo ny fanjakana manomboka anio zoma io tatitra mikasika ny vola niditra sy nivoaka tamin'ny fikambanana io.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.