Politique

Nofinofy ny hoe …


  • Sabotsy 03 Janoary 2015

Vaovao indray ity ny taona. Efa andro fahatelo sahady amin’ny 365 hodiavina aza ny anio. Ho lasan’iny 2014 nivalona iny anie ny ratsy rehetra, hoy ny maro. Mandeha ihany koa ny ventsoventso ho an’ity taona 2015 ity. Hitsahatra hatreo anie ny fampiesonana amin’ny teny tsara lahatra, mba tsy handiso fanantenana lava izao ny vahoaka.

Ho tanteraka tokoa anie ilay tena fampihavanana malagasy fa tsy ho fisehosehoana fotsiny ihany, hisian’ny fitoniana eto amin’ny firenena. Hisokatra amin’izay anie ireo haino aman-jery nakaton’ny fitondrana tetezamita, hanjakan’ny demokrasia sy ny fahalalahana maneho hevitra. Nifarana hatreo anie ny fanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenana. Ho foana amin’izay anie ny kolikoly mambotry firenena, ka hiova fo amin’izay ireo dahalo ambony latabatra. Hijery ny sosialim-bahoaka sy ny tena fampandrosoana anie ny mpitondra fa tsy ho lany andro hifanasa vangy ara-politika. Hisolovava marina ny vahoaka nifidy azy anie ny solombavam-bahoaka fa tsy ho fitaovana politikan’ny mpitondra fotsiny. Mba hanana ny toerany amin’izay anie  ny mpandraharaha malagasy, hiverina hisokatra ireo orinasa malagasy tanjaky ny toekaren’i Madagasikara ary hanjifa ny «Vita malagasy» ny Malagasy. Ho masimandidy amin’ny taniny amin’izay anie ny Malagasy fa tsy hiankin-doha lava izao amin’ny vahiny. Ho fongana anie ny valan’aretina toy ny pesta, ny andiam-balala mandripaka voly ary ny loza voajanahary toy tondra-drano sy ny rivodoza manimba fotodrafitrasa ka mahatonga ny faritra maro ho fahirano. Ho afaka amin’ny habadoana anie ny zaza malagasy, ka tsy ho mora ambakaina. Ho resy anie ny kere sy ny tsy fanjarian-tsakafo mahazo ny Malagasy maro … Dia mbola ho nofinofy indray ve izany amin’ity e ?

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT