Politique

Nivaky tanteraka ny Mapar Mivoaka ny tsiambaratelo


  • Talata 16 Desambra 2014

Mivoaka ho azy ny tsimbaratelo nokobonina faha tetezamita noho ny disadisa miseholany eo anivon’ny vondrona Mapar. Nilaza, ohatra, ny depiote Mapar miaraka amin’i Maharante Jean de Dieu fa nanao ampihimamba ny fananam-bahoaka ary tafiditra tanaty fitrandrahana tsy ara-dalàna ny harena ankibon’ny tany sy ny andramena ny mpitondra maro tao anaty tetezamita

« Anananay porofo sy dosie ary azonay poirina amin’ny fotoana ilana azy izany, raha ilaina », hoy izy tamin’ny mpanao gazety omaly. Valin’ny nataony izao anaovan’ny filoham-pirenena azy izao ka tokony hahatanty i Andry Rajoelina, hoy izy. Nambarany fa nanome toromarika ny tsy hanohanana ny kandidà Rajaonarimampianina mihitsy ny filohan’ny tetezamita tamin’iny fihodinana faharoa iny. Henon’ny filoha ankehitriny izany tetika izany, hoy izy, ka tsy maintsy nandray fepetra nifanentana tamin’izay koa ny tenany. Nohazavain’ity nitondra ny tenin’ny Mapar 2 ity fa tsy nangataka hiditra Mapar, tahaka ireo kandidà sasany manompo an’i Andry Rajoelina ireo izy sy ny namany, fa notambatambazana hojapin’io lisitra io. « Tsy maintsy lany tany amin’ny nisy anay izahay na Mapar na tsy Mapar », hoy ny depiote Randrianasolo Jean Nicolas, omaly. Nohamafisiny fa ny mpifaninana taminy no nampian’ny Mapar tany amin’ny fari-pifidianana nilatsahany fa tsy izy. Ny vondrona Escopol ihany koa no naha mpikambana CT azy, hoy izy, fa tsy i Andry Rajoelina velively. Olon-dRajaonarimampianina 100% aho, hoy izy, ka tsy nomen’ny filohan’ny tetezamita baiko hampandany ahy tahaka ny tany amin’ny faritra hafa ny manampahefana tany aminay. Mivandravandra ny tsy fahaizan’ny depiote Mapar politika amin’ireny fanompoana olona be fahatany ataony ireny, hoy ity solombavambahoaka ity, ary izay no tsy tianay. Nohamafisiny kosa fa tsy hiala Mapar izy nefa tsy hanaraka baiko an-jambany toy ny sasany ary hiaro hatrany ny fanjakana mijoro.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT