Politique

Niova ny voka-pifidianana ao Ranohira Miaka-pofona ny vahoaka, ahiana ny korontana


  • Sabotsy 22 Aogositra 2015

Nivadika ny voka-pifidianana ao amin’ny kaominina Ranohira distrikan’ Ihosy ka lasa nandresy ny kandidan’ny HVM. Miaka-pofona ny vahoaka manoloana izany, ary tsy manaiky namadihana ny safidiny.

 

 Raha ny voka-pifidianana navoakan’ny SRMV ao Ihosy ny 3 aogositra lasa teo, dia nandresy ary mitarika amin’ny isam-bato ambony 854 ny kandidà natolotry ny tsy miankina Irak’Olo-be. Laharana faharoa ny HVM nahazo vato 777. Gaga anefa ny rehetra ny 15 aogositra teo tamin’ny voka-pifidianana vonjimaika tsy ofisialy navoakan’ny SADIR, fa ny HVM indray no nandresy amin’ny vato 877, lasa laharana voalohany.

Adim-poko ?

« Tsy manana fahefana manova vato ny SADIR. Tsy manaiky ny vahoaka raha tsy ny vokatra tena izy no mivoaka. Mba hisorohana ny mety hisian’ny ady saritaka hiafara amin’ny adim-poko dia mitaky fampitahana ny voka-pifidianana (confrontations) mangarahara izahay, ary matoky ny fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana, araka ny fitoriana tamin’ny tsy fanarahan-dalàna samihafa tamin’ny fifidianana napetrakay », hoy ny kandidàn’ny Irak’Olo-be, Philippe sy ireo mpomba azy. Marihina fa kandidà dimy no nifaninana ho ben’ny tanàna tao amin’ny kaominina Ranohira nahitana ny MAPAR, TIM, MTS, HVM ary ny tsy miankina Irak’Olo-be.


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT