Nahanjahanjan’ny vondrona Eoropeanina tamin’ny tatitra nataony momba ny fifidianana natao teto Madagasikara ny 7 novambra teo ny fizaram-bola nataon’ny kandida Andry Rajoelina sy ny kandida vitsivitsy,
ka mitana ny laharana voalohany ary mahazo ny amboara mihitsy Rajoelina, raha fifaninanana no natao. Araka io tatitra io dia nahitana fizaram-bola ireo tanàna lehibe nalehany : Antsiranana I tamin’ny 8 oktobra, Sambava Centre tamin’ny 10 oktobra, Tolagnaro tamin’ny 19 oktobra, Ampasimazava Toamasina I tamin’ny 21 oktobra, Fenoarivo Atsinanana ny 23 oktobra, teny Mahamasina sy tany Morondava Centre ny 27 oktobra, Vangaindrano tamin’ny 30 oktobra,... Miha mazava hatrany fa miorina ao anaty fizaram-bola sy lalao maloto ny fahazoan’i Andry Rajoelina vato amin’izao fifidianana izao, fa tsy noho ny safidy madio. Raha mpanara-maso Malagasy no namoaka an’itony dia mety horaisina indray hoe fanasoketana sy fanaratsiana be fahatany, saingy ny vahiny izany izao no efa nanabaribary ny fomba mamohehatra. Ny andininy faha-233 ao amin’ny lalàna fehizoro momba ny fifidianana, dia milaza fa ny mpividy sy ny mpivarotra vato sy ny mivarotra vato amin’ny fifidianana dia helohina handoa onitra avo roa heny amin’ny noraisina na nomena. Ny olona izay manararaotra manao izany amin’ny fifidianana na fitsapankevi-bahoaka manao izany ihany koa dia tsy afaka misitraka ny zony sy tsy afaka hanao asam-panjakana ary voarara tsy afaka asa misitraka ny asa maha olom-boafidy mandritra ny 5 ka hatramin’ny 10 taona. Tsy afaka manao fitoriana ny mpanara-maso iraisam-pirenena amin’ity raharaha ity fa anjaran’ny manampahefana Malagasy amin’ny alalan’ny Fitsarana Avo momba ny lalàmpanorenana no mijery sy mandinika ireny. Raha tena tany tan-dalàna isika dia iharan’ny sazy i Andry Rajoelina, ary mety hailika tsy ho kandida aza, raha ny lalàna no jerena. Asa aloha raha mba hisy an’izany fa efa maro ihany ireo fandikan-dalàna niniana nikipiana teto. Ny azo antoka aloha dia efa mibaribary amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny fanaon’ity kandida iray ity ankoatra ny efa lasa laza ratsy tamin’ny tetezamita nisian’ilay hoe mpitondra « sans qualité » ka tahaka izany ve no hitondra firenena ? Fizaram-bola ve no fototra iorenan’ny fahefana dia ho azo antoka fa tena hanasoa firenena fa tsy handroba tanindrazana ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.