Politique

Nicolas Sarkozy Efa nahazo avara-patana teny an-dapa sahady


  • Sabotsy 19 Janoary 2019

Nigadona omaly teto Madagasikara ny filoha Frantsay teo aloha Nicolas Sarkozy, izay nitondra an’i Frantsa (2007-2012) tamin’ireny fotoanan’ny fanonganam-panjakana teto Madagasikara ny taona 2009 ireny.

 

 

Nihaona avy hatrany tamin’i Andry Rajoelina teny Iavoloha izy omaly.Fihaonana hita fa tao anatin’ny firahalahiana tokoa , tsy nisy nipika ny resaka nandritra ny 35 minitra nifanaovan’ny roa tonta.10 taona lasa izay dia nalaza fa nisy dian-tanan’ity filoha Frantsay teo aloha ity ny nahatongavan-dRajoelina teo amin’ny fitondrana ary noraisiny tao amin’ny lapam-panjakan’i Elysée tamin’izany fotoana na dia nosokajian’ny fianakaviambe iraisam-pirenena ho mpanongam-panjakana aza. Tsara ho tadidiana ihany koa fa tamin’ny nitondrany an’i Frantsa no betsaka indrindra ny Malagasy  no voatery nandao an’ity firenen-dehibe ity noho ny karazana fanilihana ny Afrikanina sy fanamafisana fepetra fahafahana mipetraka tany. Nalaza mihitsy aza tamin’izany ny hoe : aleo mampiasa olona fotsy hoditra tsy mahay, toy izay mampiasa Afrikanina. Ny olona avy any Roumanie no betsaka nifindra tany sy nomena avara-patana. Nandray anjara tamin’ny fandrodanana ny Filoha Libianina Mouammar Kadhafi ny Frantsay tamin’ny andron’i Sarkozy ka nilazana fa jadona ny fanjakana kanefa vao mainka potika sy tsy tafarina mandrak’androany ity firenena ity. Nandritra ny korontana tany Centrafique, Côte d’Ivoire dia voatonona hatrany ny Frantsay tamin’ny fitondran’i Sarkozy. Mikasika ny diany eto Madagasikara amin’izao dia re fa ny filoha Frantsay Emmanuel Macron dia nanome toromarika azy amin’ny hahatongavany aty Madagasikara hiatrika ny lanonana anio. Na efa misy aza ny iraka manokana dia ny minisitr’i Eoropa sy ny raharaham-bahiny Jean-Baptiste Lemoyne. Manana andraikitra amin’ny orinasa Frantsay Accor, manana rantsana maneran-tany izy amin’izao ary misy eto Madagasikara io orinasa io.

 

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT