“N`inona n`inona no havoakan`ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana dia tokony harahina sy ekena”, hoy i Nicolas Randrianasolo, depiote voafidy tany Betroka.
Nisafidy ny hanohana iray amin`ireo kandidà ho Filoham-pirenena ity solombavambahoaka ity ka mitsangana amin`ny maha raiamandreny azy ka miantso fitoniana an`ireo Malagasy. Politika no hatao ka tokony hieritreritra ny hoaviny ny vahoaka Malagasy satria ny mpanao politika mahazo tombony 95%. Matoa kosa misy ny tsikera sy nitabataba teo amin ny kianjan`ny 13 mey dia misy dikany izany ary tsy azo jerem-potsiny, hoy ity depioten`i Betroka ity. Betsaka ny zavatra tsy nety ary nisy ny lesoka sy tsy fahatomombanana mila harenina amin`ny dimy taona manaraka, hoy hatrany ny fanazavana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.