Nazava ny resaka ho an’ny antoko HVM, raha ny resaka nifanaovan’ireo minisitra mpikambana ao aminy tamin’ny mpanao gazety tetsy amin’ny foibe toerany tetsy Antanimena no asian-teny, fa tsy hisy hahazo tombony amin’ny korontana hiseho eto amintsika izany ka ny fifampiresahan’ny ankolafin-kery rehetra misy sy izay
voakasiky ny olana misy ankehitriny no vahaolana tsara indrindra ho an’ny Malagasy mba hisian’ny fitoniana marina ka andehanan’ny fampandrosoana ny firenena. Tena zava-dehibe indrindra amin’izao ankatoky ny fetim-pirenena 26 jona izao, hoy izy ireo, ny “stabilité” na fitoniana politika. Miarahaba manokana an’Atoa filoha Hery Rajaonarimampianina izahay, hoy ireto ampahana minisitra tetsy Antanimena ireto tahaka ny minisitry ny fiompiana sy ny fanabeazam-pirenena izay nitondra ny tenin’izy ireo, ny minisitry ny jono, fanantanjahantena ary ny fampianarana teknika, noho ny fanamafisan’ny HCC ny fitokisana taminy. Mitohy ny asan’ny governemanta amin’izao fotoana, hoy izy ireo ary mitohy ny fifanohanana amin’ny rehetra. Ny fomba fijery anefa samy manana ny azy ka raha nisy ny naneho hevitra hafa noho izay nambaranay izay dia hajaina ny heviny fa izany no fototry ny demokrasia. Samy maka lesona tamin’ny zava-tsy nety teo aloha ny rehetra ka ny fitambarana manao zavatra no hanarina ity firenena ity.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.