Ankoatra ny fiofanana sy fianarana izay rantoviny any Alemaina amin’izao fotoana dia mitsidika kaominina maromaro ary nihaona sy niresaka tamin’ireo ben’ny tanàna any an-toerana Rtoa Lalao Ravalomanana.
Tsy misy ny andraso andraso fa efa mikaroka ny hevitra sahady hanatsarana ny fiainan’ny mponina eto Antananarivo Renivohitra sy ny paikady hanatsarana ny tanàna ny kandidan’ny TIM. Ny fahaiza-mandamina no enti-miady ka dieny izao ny fanomanan-tena hiatrika ny andraikitra goavana rahatrizay voafidy ho ben’ny tanàna Rtoa Lalao Ravalomanana fa tsy hoe efa tonga eo amin’ilay toerana vao hikoropaka. Tsy fanapahan-kevitra maimaika fa efa nodinihana tsara ny nirotsahan-dRamatoa Lalao Ravalomanana hofidiana ben’ny tanàna eto an-drenivohitra, araka ny nambaran’ireo olona akaiky azy. Tsy dia ny hahazo toerana loatra no tanjona, fitaovana fotsiny ihany izany mba hahafahana manasoa ny vahoaka sy manatsara ny tanàna. Efa manana vina sy fandaharanasa ho an’Antananarivo ity kandidan’ny Tiako I Madagasikara ity ary efa mahita ny fomba hanatanterahana izany izy sy ny mpiara-miasa hifanampy ho amin’izany. Efatra herinandro moa no hijanona any Alemaina Rtoa Lalao Ravalomanana.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.