Tsy fahita firy amin’ny fifidianana ny fisian’ny kandida iray mandeha mivoaka ny firenena ao anatin’ny fotoana azo faritana ho kihon-dalana amin’ny fanaovana fampielezan-kevitra.
Lasa anefa i Andry Rajoelina, izay miteraka resabe amin’izao. Inona no antony ? Raha ny angom-baovao azo, nentiny ny vady aman-janany. Malaza fa efa fomba fanaon’ny fianakaviana Rajoelina ny mandeha miala sasatra isaky ny fotoana akaiky ny 1 novambra, ka matetika any amin’ny sisin-tany Italia izy ireo no mandeha satria any no efa misy ranomandry ary akaiky ihany koa an’i Monaco. Mandeha ihany koa anefa ny resaka fa efa miomana amin’ny mety ho gidragidra eto amin’ity fifidianana ity i Andry Rajoelina, ka nentiny niala eto nalefa nody aloha ny fianakaviany mba tsy ho lasibatry ny krizy. Asa na handeha irery izy miverina eto na hombam-bady aman-janaka. Ny resaka fakana vola any amin’ny mpanohana azy ihany koa, dia heverina ho anisan’ny anton-diany any ivelany any. Fa ny tsy azo hadinoina ihany koa dia ny raharaham-pitsarana mahakasika ilay mpanefoefo akaiky azy sy izy tenany, ka tsy hay na misy hifandraisany amin’ireny ny dia. Andrasana izay mety ho fiverenan’ity kandida ity, izay malaza ho mampiasa volabe tsy toko tsy forohana ka mety naka vatsy indray aloha hanampiana ny eo am-pelatanana. Fa io na hividy olona ianao, na hividy vato, na hividy vata fandatsaham-bato dia hampifanakalozina amin’ny tena latsa-bato nataon’ny vahoaka,... Dia mbola hividy tompon'andraikitra ambony, dia hividy ireo tompon'andraikitra amin'ny biraom-pifidianana,... Rehefa manao ny tsy mety dia tsy mety izay. Lainga sy fitaka ve no hanavotana firenena ? Anjaran’ny vahoaka no misaina sy mieritreritra.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.