Politique

Naongan’ny depiote ny Filoham-pirenena


  • Alarobia 27 Mey 2015

Eo am-pelatanan’ny Fitsarana avo momba ny lalŕmpanorenana ankehitriny ny hoavy politikan’Atoa Hery Rajaonarimampianina. Nankatoavin’ny 2/3-n’ny Solombavambahoaka halina ny fampiatoana azy tamin’ny asany.

Notsipahin’ny Antenimieram-pirenena am-bavafo ny fanjakan’ny Hery Vaovao an’i Madagasikara. Tamin’ireo Solombavambahoaka 125 nandatsa-bato dia ny 121 nankato ny fampiatoana ny Filoham-pirenena amin’ny asany avokoa. Solombavambahoaka miisa 4 no mba nanohana ny Filoham-pirenena Hery Rajaoanarimampianina tamin’ny fitsipahana fitokisana natao taminy. Ny fandikana sy ny fanolanana ny lalàmpanorenana miverimberina no antony naroson’ireo Solombavambahoaka miisa 115 nanao sonia ity taratasy fitsipahan-pitokisana ity ho antony angatahan’izy ireo ny fampiatoana ny Filoham-pirenena amin’ny asany no sady voalaza ao amin’ny tapany faharoa amin’ny andininy faha-131 amin’ny lalàmpanorenana rahateo izany. Rehefa nampiakarina tao amin’ny fivorian’ny Birao maharitra io fangatahana io omaly tolak’andro dia nahazo fankatoavana no sady lany nandritra ny fifantenana ireo lohahevitra haroso hodinihin’ireo solombavambahoaka omaly tolak’andro ihany. Natsangana ny komity manokana nandinika ilay fitakiana fampiatoana ka nahazo fankatoavana ihany koa. Tamin’ireo 19 nandrafitra ny komity manokana dia 11 no efa nankato ny handrosoana ny fitakiana eo amin’ny fivoriana azon’ny rehetra atrehina raha 7 kosa no nanda. Talohan’ny nirosoana tamin’ny fifidianana dia nisy aloha ny adihevitra ka notanisain-dRamatoa Razanamahasoa Christine, solombavambahoaka voafidy tany Ambatofinandrahana sy Atoa Houssen Abdallah voafidy tany Soalala ireo fandikan-dalàna nataon’ny Filoham-pirenena ka anisan’ny voatanisa tamin’izany ny nanaovany sonia ilay tsoa-kevitra tamin’ilay fihaonambem-pirenena ho an’ny fampihavanam-pirenena teny Ivato, ny mbola ametrahana ny fikarakarana ny fifidianana amin’ny CENI-T izay rafitra efa tokony hiato niaraka tamin’ny fanjakana Tetezamita ary ny fitsabahan’ny fahefana mpanatanteraka amin’ny fikarakarana ny fifidianana tamin’ny namoahana ny didim-pitondrana nandrara ny fanasiana sary sy anaran’ny kandida amin’ny bileta tokan’ny fifidianana Ben’ny tanàna. Raha nandray fitenenana koa Rtoa Razafimanantsoa Lobo Hanitra, solombavambahoaka voafidy tamin’ny anaran’ny Ankolafy Ravalomanana tao amin’ny firaisana voalohany teto Antananarivo dia nanamafy fa ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana no tompon’ny teny farany amin’ny hanamarinana io fitsipaham-pitokisan’ny solombavambahoaka io na tsia fa tsy misy idiran’ny Birao maharitra velively. Ny depiote Razafimanantsoa Hanitra izay nanentana ireo namany avy amin’ny Ankolafy Ravalomanana rehetra hankato ity fitsipahan-pitokisana ity. Araka izany dia andrasana izany hambaran’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana momba ity fandaniana ny fitsipahan-pitokisana ny Filoham-pirenena ity.


Andry Ratovo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT