Politique

Nandrotsaka volabe ny Eoropeanina Tsy maintsy vitaina ny fifidianana…


  • Zoma 23 Novambra 2018

Efa niaraha-nahita ny fomba fijerin’ny sehatra iraisam-pirenena tamin’ny alalan’ny SADC, COI, Vondrona Eoropeanina,…

 

  izay toa nitovitovitovy ihany ka nilaza tamin’ny ankapobeny fa nandeha tamin’ny niheverena azy ny fifidianana na nisy aza ny lesoka. Na tsy mivantana, aza mazava ny fihetsiky ny sehatra iraisam-pirenena dia ny hirosoana amin’ny dingana manaraka voafaritry ny lalàna ary manome tohana hatrany hahatongavana amin’izany izy ireo. Tontosa omaly tetsy amin’ny foiben’ny CENI Nanisana ny fifanaovan-tsonia teo amin’ny Vondrona Eoropeanina nosoloin’ny Masohivohony eto amintsika Giovanni Di Girolamo tena notronin’ny solontena maharitry ny Firenena Mikambana Violette Kakyomya sy ny Filohan’ny CENI Hery Rakotomanana amin’ny fandrotsaham-bola mitentina 1 100 000 Euros ao anatin’ny kitapom-bola SACEM. Tantsoroka ara-bola hoenti-manatontosa ny zotram-pifidianana eto amintsika io, izay efa fanindroany izao. Dingana amin’ny demokrasia Malagasy ny fifidianana raha ny fanehoan-kevitry ny Masoivohon’ny Vondrona Eoropeanina. Efa mitodika any amin’ny fihodinana faharoa ny fijerin’ity rafitra iraisam-pirenena ity. Fantatra fa misy ny karazana fifanolanana fa efa mipetraka eo am-pelatanan’ny HCC izany ary havela hanao ny asany izy ireo. Manampy hatrany amin’ny fanamafisana ny demokrasia eto Madagasikara ny Vondrona Eoropeanina, ka nanolotra ny anjara biriky faharoa amin’ny fanampiana ara-bola ny kitapom-bolan’ny SACEM. Hanara-maso tsara hatrany ny fifidianana ny Eoropeanina tahaka ny tamin’ny fihodinana voalohany ny Vondrona Eoropeanina.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT