Nandray fanapahan-kevitra goavana dia ny fisintonana ny fitarainana sy fitoriana rehetra napetrak'izy ireo teny amin'ny HCC nahatratra 208 ny Kandida Marc Ravalomanana sy ny mpiara-dia aminy omaly,
mba tsy hitenenana fa tsy mankasitraka ny voka-pifidianana navoakan'ny CENI. Nanara-maso teny amin’ny CENI androa aman’alina izy ireo nanomboka ny 7 novambra, ary afaka nanao ny fampitahana PV na “confrontation” nitondra ny PV rehetra izay efa voarain’ny CENI ary nanaja ny lalàna nisy sy ny fepetra napetraka, hoy ny mpisolovava Hasina Andriamadison. Manana ny “legal team” nandinika tsirairay ary nahita fa nisy ny tsy nety kely, izay nanaovan’izy ireo fitoriana 208. Mba hitsinjovana ny filaminana sy ny fiandrianam-pirenena anefa dia nanapa-kevitra ny KMMR sy ny TIM ary ny kandida Marc Ravalomanana fa sintonina avokoa ny fitoriana izay nataony na nanao “désistement d’action” izy ireo, izay milaza ny tokony hamelana malalaka ny valim-pifidianana avy amin’ny HCC satria efa manaiky ny vokatra vonjimaika navoakan’ny CENI izahay, hoy ireo solontenan’ny kandida laharana 25 tetsy Bel’Air Apandrana omaly. Manaiky ny fifidianana natao ny 7 novambra lasa teo ny TIM ary tsy miombon-kevitra amin'ireo izay mangataka fanafoanana ny fifidianana ny Kandida Ravalomanana sy ny mpiara-dia.
Aleo handeha ny fifidianana faharoa fa ny fifidianana ihany no hahafahana mametraka amin'ny fomba demokratika izay ho filoham-pirenena eken’ny vahoaka, hoy ny eo anivon’ny KMMR tarihin’ny Talen’ny fampielezan-kevitra Tsehenoarisoa Rabenja. Nahatsikaritra izy ireo tao anatin’ny andro vitsy fa misy paikady hafahafa hita soritra, misy hetsika toa mifono ambadika politika tazana, toa misy ampahan’olona mitady hanao izay hanafoanana ny fifidianana, nanararaotra ny fisian’ny fitarainana ny sasantsasany mba hilazana fa ny kandida roa voalohany dia samy tsy afa-po ary samy tsy mankasitraka ny voka-pifidianana vonjimaika navoakan’ny CENI, hoy izy. Ny fisian’ny fitarainana an-tsoratra voapetraka teny amin’ny HCC no nentina nanazavana ny voka-pifidianana fa tsy ankasitrahan’ny kandida roa voalohany hono, hoy ity Talen’ny fampielezan-kevitra ity. Re rahateo moa fa toa hoe misy mikotrika fananganana fanjakana tetezamita any ho any, fa voka-pifidianana. Tsy mangataka ary tsy mankasitraka ny fanafoanana ny fifidianana efa vita tamin’ny 7 novambra 2018 ny kandida Ravalomanana, ary tsy mangataka fanemorana ny fifidianana fihodinana faharoa, fa aleo hizotra izany hampazava ny safidim-bahoaka, hoy ny fanambarana. Nampiseho fandeferana mba ho amin’ny tombotsoa ambonin’ny firenena i Marc Ravalomanana na mety lasibatra aza. Tsy ho loharanon’ny korontana, ary mazava izao hoe na nenjehina sy nitsoaka aza dia niezaka niverina teto ary efa nisy sahady ny zavatra voatsangany. Nanao fanamby sy velirano fa hanao izay faraheriny sy fara-fahaizany hanavotra ny firenena. Tonga saina ny vahoaka ary ireny ny vokatra satria ny hita aloha, dia nisy kandida nampiasa volabe tena mety ambony lavitra noho izy teto, saingy tsy nisy ny elanelana be. Miandry am-pahendrena ny voka-pifidianana ofisialy havoakan’ny HCC i Marc Ravalomanana. Vonona amin’ny fiatrehana ny fihodinana fahafaroa izy, izay tsy mankasikatraka ny mety tetika hanariana ny zon’ny Malagasy any amin’ny lalan-kafa mivaona amin’ny demokrasia.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.