Tsy rariny intsony ny zava-miseho ankehitriny, hoy ireo minisitra Tiako I Madagasikara (TIM) nanao fanambarana tetsy amin’ny minisiteran’ny Indostria Anosy omaly alatsinainy 7 janoary, nahitana an’i Guy Rivo Randrianarisoa (Indostria sy fampiroboroboana ny sehatra tsy miankina),
Napetoky Marcel (Toekarena sy teti-pivoarana) ary Roland Ravatomanga (Rano sy fidiovana ary fahadiovana), Lydia Aimé Rahantasoa (Fampianarana Teknika sy nyfanofanana arak’asa” Nampiaka-peo mihitsy izy ireo noho ny fampiasan-kery sy herisetra nataon’ny mpitandro ny filaminana. Mahagaga sy mampametra-panontaniana, hoy izy ireo ny zava-misy satria izany toe-javatra izany no notoherina teny amin’ny kianjan’ny 13 mey tamin’ny 21 aprily niarahan’ireo solombavambahoaka TIM sy MAPAR miisa 73. Miova tanteraka anefa ny zava-misy ankehitriny satria ireo olona tsy tia fandrobana sy mitaky ny fahamarinana no handefasana baomba mandatsa-dranomaso tsy an-kiato ary tena hanaovana herim-pamoretana. Nanambara ireto minisitra TIM ireto fa tena malahelo ary manameloka tanteraka ny zavatra ataon’ny tafika izay tokony hijoro hatrany amin’ny fitandroana ny filaminana sy hampanjaka ny soatoavina. Nohamafisiny ny tokony hanajanonana farany haingana ny herisetra. Nanao antso avo tamin’ny filoham-panjakana sy ny praiminisitra ary ny tompon’andraikitry ny tafika izy ireo mba tena handà tanteraka ny herisetra manomboka izao ka ho mandrakizay. Efa nitolomana izany ary tsy mendrika intsony ny vahoaka Malagasy. Manoloana ny famoahana ny voka-pifidianana ataon’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) anio kosa dia mangataka ireto minisitra TIM ireto ny hisian’ny fangaraharana ka mba ny tena safidin’ny vahoaka Malagasy no haseho satria izy ireo no tompon’ny tany sy ny fahefana. Voka-pifidianana marina sy hitondra fitoniana no ilaina ka ny HCC no tompon’ny teny farany ary miankina tanteraka amin’izany ny hoavin’i Madagasikara, hoy hatrany ireto minisitra ireto.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.