Halan’andriana fa tiam-bahoaka ! Io no azo hanasokajiana an’i Marc Ravalomanana.
Tsy mba nanana olana amin’ny vahoaka Malagasy izy, ka na aiza na aiza aleha, dia tsiky sy hafaliana hatrany no andraisan’ny olona azy. Misy amin’ireo mpanao politika kosa no nanana olana taminy, eny fa hatramin’ny firenen-dehibe dia ny Frantsay, fony izy teo amin’ny fitondrana. Sarotiny ary tsy mikoso-maso amin’ny resaka fiarovana ny fiandrianam-pirenena i Marc Ravalomanana. Tsy nanaiky ny fanjakazakan'ny vahiny mpangoron-karena, ka nisy tamin’ireo matretrea na “mafia” eto amin’ny firenena no namatsy vola ny mpanongam-panjakana teto tamin’ny 2009. Niara-naheno ny mbola fanambarana nataony teny Mahamasina ny sabotsy 25 aogositra, fa ny Malagasy aloha, izay vao ny hafa, ka raha misy Malagasy na dia iray aza ka misy mampijaly na mihetraketraka, antsoy i Dada, na firenen-dehibe, na iza na iza, hoy izy. Tsy maintsy arovana ny tanintsika, ny tanin’ny Malagasy, an’ny Malagasy, hoy i Marc Ravalomanana. Misy mikasa hoe hiantso mpandraharaha vahiny ho avy eto, hono, dia hoe haka ny tanintsika sy ny fananantsika, azafady, tsy atakalo ary tsy amidy ny tanin’ny Malagasy, tsy omena na iray dia aza, hoy hatrany izy. Tsy levon’ny vavonin’ireo ny hahatafaverenan’i Marc Ravalomanana eo satria ho foana ny fangoronan-karena sy fanaovana tantely afa-drakotra ny haren’i Madagasikara, ka mitady izay hirika rehetra, ary tsikaritra fa i Andry Rajoelina no atao fitaovana. Efa io fiarovana ny fiandrianam-pirenena sy ny vahoaka Malagasy io no namotehana an-dRavalomanana tamin’ny taona 2009, saingy efa nahazo lesona sy voasedra izy. Porofo ny nibatan’i Lalao Ravalomanana, vadiny, ny fandresena niezinezina tamin’ny fifidianana Ben’ny tanànan’Antananarivo ny taona 2015. Matoky ny vahoaka Malagasy ao an-damosiny i Marc Ravalomanana ankehitriny. Nibaribary izany tamin’ny diany tao Ambatomanga ny sabotsy teo. Tanin’ny fahazazany, nibeazany, namolavola azy, nivoarany teo amin’ny fihariana ary niakarany ny antanantohatry ny fiainana. Fihetsika tsotra, natoraly mampiseho fa zanaka tantsaha lasa mpitarika “leader”. Hany ka raha vao migadona amin’ny toerana iray izy dia miantsampy aminy ny ankizy, matoky azy ny raiamandreny, manaraka azy ny tanora… Nambarany moa fa hiara-kanarina sy hanangana ny nopotehina isika. Olona sahy sy vonona hiaro ny firenena no ilaina fa tsy saribakoly e !
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.