Politique

Naivo Raholdina Manangan’ady amin’ny FLM


  • Alakamisy 15 Oktobra 2015

Tsy mendrika ny solombavambahoaka izay heverina ho raiamandreny ny manendrikendrika sy ny mandainga, hoy ny loholon’ny fiangonana loterana Androhibe Finoana raha naneho hevitra momba ny resaka nataon’ny solombavambahoakan’i Madagasikara Naivo Raolidina momba ny nahazoan’ny fiangonana ny tany tamin’ny fanjakana eny Androhibe.

 

 Nambaran’Atoa  Naivo Raholdina fa  nanao “kolikoly masina”, hono ny  mpino loterana izay miasa ao amin’ny  sampandraharaha ao amin’ny  fananan-tany sy ny ao  amin’ny fitsarana ka nanao izay nahazoan’ny  fiangonana ny tany, eny  na dia tsy  nisy vola nadehandeha aza. Mangata-panazavana noho izany  ireo Raimandreny avy amin’ny fiangonana ny mba hanomezan’ny  solombavambahoaka  porofo fa tsy hanendrikendrika  fotsiny. Mandainga ihany koa ny depiote Naivo Raolidina milaza fa  tsy misy afa tsy  80 ny mpivavaka ao amin’ny FLM  Androhibe Finoana satria  araka ny  fanazavany  dia mihoatra  lavitra noho izany ny mpino ao. Matoky ny  fanjakana izay nanome azy ny  tany ny fiangoanana, hoy ny fanambarana ka tsy mivonona ny  hifanasa vangy amin’i Naivo Raholdina.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT