Politique

Nafana ny hetsiky ny 13 mey Lakrimozenina an-jatony no nirefotra


  • Alakamisy 03 Janoary 2019

Daroka baomba mandatsa-dranomaso efa ho an-jatony no nasetrin’ny mpitandro ny filaminana maro be nirongo fiadiana ny vahoaka tetsy amin’ny Kianjan’ny 13 mey Analakely omaly alarobia 2 janoary.

 

 

 Herisetra no nitsenana ireo olona maro be hifety am-pilaminana noho ny taona vaovao sy hifampizara ireo vaovao sy porofo manamarina ny hosoka tamin’ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa teo. Tsy navela niditra ny kianja ireo mpitarika sy ny vahoaka na nisy aza ny fifampiresahana manodidina ny tamin’ny 11 ora mahery kely teo akaikin’ny “Parvis”. Nilaza ny lehiben’ny mpitandro ny filaminana fa baiko avy tany amin’ny Prefen’ny polisy Jeneraly Ravelonarivo Angelo Christian ny azy ka raha mahazo baiko ny hamelana ny mpitolona avy any aminy dia tanterahina avy hatrany. Namono finday anefa io tompon’andraikitra io, hoy ny mpitarika ny tolona, izay nahitana ireo depiote avy amin’ny Antoko TIM toa an-dRamandimbisoa Félix, Hanitra Razafimanantsoa, Voahangy Raharimanarivo … Teo ihany koa ny mpanao gazety Fidèle Razarapiera. Tsy nahomby ny fifampiresahana, ary nitohy tao amin’ny vavahady eo an-damosin’ny Lapan’ny tanàna. Tampotampoka teo, tokony ho tamin’ny 11 ora sy 30 minitra no nanomboka nirarakopana ny baomba mandatsa-dranomaso tsy nisy fampitandremana nalefa tao anatin’ny “parvis” sy namelezana ny olona izay tanam-polo nitangorona teo Analakely, ary naharitra ela sy tsy an-kiato. Somary niato kely rehefa nivoaka ny resaka fa havela hiditra indray ny vahoaka fa tsy azo ampiasaina kosa ny “écran géant” tokony ho tamin’ny 3 ora. Niditra tao amin’ny “Parvis” nanao hiram-pitolomana sy niandry ny toromarika avy amin’ny mpitarika ny olona, saingy nirarakopana indray ny baomba mandatsa-dranomaso tamin’ny 4ora hariva mahery. Hatramin’ny sorabaventy nampiasaina dia potika sy rovidrovitra tratran’ny baomba mahery vaika.  Nisy ny fampiasana basy fa “caoutchou” ny bala nampiasaina. Maromaro ireo naratra, nisy ny voatery naiditra hopitaly noho ny fahasemporana. Olona roa ihany koa no nosamborina. Voatonona ho tena niaingan’ny baiko rehetra ny praiminisitra Ntsay Christian izay avy amin’ny MAPAR. Tsy levon’ny vavonin’izy ireo mantsy ny fampiasana ny “écran géant” hampahafantarana an-tsary ny porofon’ny hosoka tamin’ny fifidianana.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT