Politique

Na mpanao politika , na olon-tsotra Maro no be fanakianana kanefa tsy manana vahaolana


  • Alarobia 01 Aogositra 2018

Hatreto, rehefa atao tombana ny vokatry ny fihetsiky ny mpanao politika sy vahoaka Malagasy dia azo aravona amin’ny hoe samy be fanakianana sy tsy mahatondra vahaolana ny ankamaroany.

Ireo manetry tena sy mandefitra lazaintsika fa mila dera sy be kajy. Ny manenjana sy ny mampiasa fahefana lazaina fa manao jadona. Mahita ambara foana ary hita ho lasa manimba foto-pisainana eny amin’ny fiarahamonina mihitsy. Ekena fa maro ny atrikasa teto amin’ny firenena ary azo antoka fa valin-tenin’ireo efa nizaika tamin’izy ireny indray izao hoe efa marobe ny vahaolana naroso tamin’ireny. Rahoaviana ary nefa no hampiharana an’izany ? Ary ireny vahaolana ireny ve mba vaovao sy mifanaraka amin’ny toetrandro sa efa tonta sy lomorina ary tefimaika  ? Nihazohazo tsy te hanao fifidianana ny mpitondra teo aloha dia niraradraraka ny antso avo nitady fifidianana maika. Azo indray ity ny daty. Ireo indray fa misy maro manana ny lazainy hanoherana azy. Rahoviana ihany ary isika no mba hifandokadoka sy hahay hiara-kiasa ?

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT