Politique

Na fifampiraharahana , na fifidianana Ratsy toerana hatrany Rajao sy ny ekipany


  • Alarobia 16 Mey 2018

Tonga amin’ilay hiaka filamatry ny mpanao fanatanjahantena izay ve izy ity hoe « Na inona na inona hataon’ialahy, resy ialahy ! » sa ahoana ?

Raha ny zava-misy ankehitriny aloha dia azo antoka fa tsy maintsy ho ratsy toerana amin’ny fifidianana ho avy eo ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina sy ny ekipany, efa poizina ho azy ny tsy nananany maro an’isa tena izy teny amin’ny antenimieram-pirenena, fa depiote mersenera sy sakaizan’ny mpandresy ary tsy manana foto-kevitra mazava no namoromporona ny vondrona parlemantera HVM. Any anaty fifampiraharahana indray, tato ho ato izay dia azo tarafina amin’ireo mpikambana amin’ny delegasionin’ny fitondrana fa tena sy manana olona maharesy lahatra izy ireo. Raha ny lojika, tokony ho antoko sy hery politika hipitrapitra fa tsy handon-databatra velively ity ny HVM satria nampidi-kizo ny firenena tato anatin’ny 4 taona. Fantatra ihany koa izao fa ny filoham-pirenena dia efa nampanao tsapa-kevitra (sondage) volana vitsivitsy lasa izay , ka nahitana fa nitana ny laharana faha-4 hatrany izy  raha atao ny fifidianana filoha eto. Mety ho antony nitadiavana ny fomba rehetra handaniana amboletra ilay lalàm-pifidianana narindra ho metimety amin’ny mpitondra HVM farany teo ve io ? Raha ny fihetsiky ny valalabemandry manoloana ireo fihetsiketsehan’ny fitondrana tato ho ato rahateo dia hita tokoa fa tsy dia ny hanohana ny HVM loatra no tanjon’ireo nanotrona fa ny haka ireo fanomezany.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT