Politique

Mponin’ny faritra iva eny Ampefiloha Nirary soa ny kandida Marc Ravalomanana


  • Alatsinainy 17 Desambra 2018

Ny zoma teo no nanatanteraka hetsika ho fanamarihana ny tsingerintaona nahaterahan’ny kandida ho filoham-pirenena, laharana faha-25, Marc Ravalomanana ny mponina tetsy amin’ny faritra iva Ampefiloha.

 

 Nanao hetsika manokana ho fanehoana izany izy ireo. Nalahatr’izy ireo tamin’ny arabe ny yaourt marobe vokarin’ny orinasa Tiko ary nanaovan’izy ireo soratra manambara hoe : « arahabaina ianao ry ingahy Ravalomanana fa nahatratra ny faha 69 taonanao ». Na dia efa tamin’ny alarobia 12 desambra lasa teo aza no daty nahaterahan’ity filoham-pirenena teo aloha ity dia tsy misy firariantsoa tara izany, hoy ny fanazavana. Taorian’io hetsika io dia niaraka nirohotra nanao filaharambe nanerana ny tanànan’Ampefiloha izy ireo. Ny ankamaroan’ireo mpanaradia ny kandida laharana faha-25 aza moa dia ny sabotsy izay nahavorian’ny kandida Marc Ravalomanana vahoaka marobe nandritry ny faradoboka natao tetsy Mahamasina no nanararaotra niarahaba azy.

 J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT