Politique

Mponin’Ampitatafika Vaovao Mazoto mijery anarana ao anaty lisi-pifidianana


  • Alatsinainy 11 Febroary 2019

Afaka dimy andro ny famaranana vonjimaika ny fanavaozana lisi-pifidianana. Raha ny tatitra avy amin`ny CENI, tsy mahafa-po ny taham-pitomboan` ny olom-pirenena voasoratra ao anatin`ny lisi-pifidianana satria 1,25% ny salan`isa hita eto Antananarivo Renivohitra ary 0,23% kosa izany manerana ny nosy.

 

 

Mifanohitra amin` izany n yeo anivon`ny fokotany Ampitatafika Vaovao satria marisika ny olona mijery ny anarany ao anatin`ny lisi-pifidianana, hoy ny sefom-pokotany, Rtoa  Razafimahazo Harisoa Fara. Nanomboka tamin` ilay fifidianana filoham-pirenena teo dia efa hita fa maro dia maro ny olona tsy tafiditra tao anaty lisi-pifidianana ka efa tamin` izany no nisy ny fanentanana. “Mba hidirana ao anaty lisi-pifidianana, dieny izao, manatera dika mitovy amin`ny kara-panondrom-pirenena sy karnem-pokotany hanamarinana fa tena mponina eny Ampitatafika” hoy Rtoa  Razafimahazo Harisoa Fara, tamin`ireo mponina eny an-toerana. Vao nigadona ny 1 desambra 2018, daty fisokafan`ny fanavaozana lisi-pifidianana dia nihamafy izany fanentanana, ka nandray ny anaran` ny olona tsy tafiditra ao anaty lisi-pifidianana, ankoatr`ireo nifindra monina sy ireo vao feno 18 taona nahavita kara-panondrom-pirenena, hoy hatrany ny fanazavana.  Anio dia hanatanteraka fidinana ifotony eto amin`ny faritra Analamanga ny CENI ka hisy fanentanana eny anivon`ny sekoly, oniversite ary fivoriana miaraka amin`ny fokontany mba ho fandrindrana ny fisoratana anarana amin`ny lisi-pidiifanana.

Vaovao

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT