Tsy hanaiky horebireben’ireo mpanao politika mitady seza intsony ireo mponina etsy La Réunion Kely.
Rehefa fotoanan’ny propagandy tahaka izao, hoy izy ireo dia betsaka ireo tonga eny an-toerana mizara zavatra mba hakana ny fon’izy ireo ary aorian’izay dia tsy misy hita intsony izy ireo. Be dia be anefa ireo ankizy tsy mianatra fa mirenireny fotsiny, hoy hatrany ireo mponina sendra anay teny an-toerana omaly. Toraka izany koa ireo tovovavy mbola kely dia efa lasa renim-pianakaviana sahady arahin’ny tsy fisian’ny foto-pivelomana mazava hahafahan’ny mponina mivelona. Fivarotana tavoahangy sy kojakoja avy nampiasaina tany amin’ny hopitaly no tena iankinan’izy ireo izay marihina fa mbola tadiavina sy tsimponina eny amin’ny zaoridira ihany koa isan-kariva. Nanamafy ireo mponina etsy La Réunion Kely fa haneho ny tena safidiny marina amin’izay mandritra ny fifidianana filoham-pirenena ho avy izao ka izay kandida tena vonona hanala azy ireo anaty fahantrana no hotohanany. Nomarihin’izy ireo fa ela no efa nipetrahany tetsy La Réunion Kely saingy fampanantenana poakaty daholo fotsiny no nataon’ireo mpanao politika tonga nitsidika azy ireo teny. Manodidina ny 1.000 ankehitriny ireo olon-dehibe feno taona afaka mifidy eny an-toerana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.