Politique

Mpomba ny kandida Solo Norbert Nosamborin’ny mpitandro ny filaminana


  • Sabotsy 01 Septambra 2018

''Tsy ho an'ny mpanongam-panjakana ny fitondrana''.

 

 

Izany no voalazan`ny sorabaventy nolanjain'ny andian'olona maromaro mpanohana ny kandida natolotry ny antoko UDECMA/KMTP Solo Norbert Andriamorasata, teo alohan'ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana. Mitaky hatrany ny fanilihana an’i Andry Rajoelina tsy ho kandida izy ireo satria tsy mendrika ny hisedra safidim-bahoaka sy hitondra firenena. Marihina fa nisy olona roa niezaka nanohitra ny hetsika nanala ireo petadrindrina ireo, ka nosamborin’ny mpitandro ny filaminana avy hatrany ireo olona miisa folo nilanja soratra milaza ny hetahetany, ary nalain’ny mpitandro ny filaminana niaraka tamin’izay ihany koa ny findain’izy ireo. Maro ireo nitory an`i Andry Nirina Rajoelina toa an`i Pety Rakotoniana tao amin’ny HFI (Hetsi-bahoaka ho an’ny tena Fanovana sy fanorenana Ifotony), eo ihany koa i Andriamitosy Lalandy, ary manampy azy ireo ny fikambanana VOLT na Vondron-olo-pirenena leo ny tsy matimanota. Hifarana anio ny hetsika fanoherana ny firotsahana ho kandidà filoham-pirenena an`i Andry Rajoelina izay efa natomboka tamin`ny 30 aogositra lasa teo. Nampioson-dra ny vahoaka malagasy i Andry Nirina Rajoelina ary nitarika ny vahoaka hanongam-panjakana ny taona 2009. Tsy mila mpanongam-panjakana intsony ny vahoaka fa olom-boafidy ara-dalàna no tiany hisolotena azy. Tokana ihany ny antony manosika mafy an-dRajoelina hilatsaka hofidiana : te hamafa io maha mpanongam-panjakana azy io. Mila mamafa io etikety io izy. Ny fifidianana ihany no hany fanantenany hanadiovany tena eo anatrehan’izao tontolo izao. Noho izany, fandrebirebena saim-bahoaka daholo fotsiny ny ambiny ary poakaty sady takonana amin`ny fonony mangirana fotsiny ilay IEM.

Marigny A.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT