Nampiova ny fizotran’ny raharaham-pirenena ny fiverenan’ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc eto an-tanindrazana. Tsy maintsy nirosoana ny fampihavanam-pirenena teo amin’ireo filoham-panjakana 5 mirahalahy notarihan’ny FFKM. Navotsotra ireo gadra politika voafonja nanomboka tamin’ny taona 2009. Miverina miandalana ny fiaraha-miasa ara-diplomatika eo
amin’i Madagasikara miaraka amin’ireo firenena sy fikambanana mpiara-miombon’antoka vahiny. Tranga vao haingana niaraha-nahita ny fanavaozana ireo mpikambana vitsivitsy mandrafitra ny governemanta raha fanovana tanteraka no nandrasan’ny Malagasy sy ny sehatra iraisam-pirenena izay mbola baraingo ihany koa na dia mipoapoaka tokoa aza ny fandaharanasa, araka ny fahitan’ny mpanara-baovao azy. Tsy maintsy vita amin’ity taona ity ireo fifidianana ambiny rehetra sy ny fananganana ireo andrimpanjakana voalazan’ny Lalàmpanorenana, hoy ny praiminisitra Ravelonarivo Jean. Ny hany fantatra aloha dia ny kaominaly hotanterahana ny 17 jolay 2015. Mandringa ihany anefa izany hoe fanaovana politika tsy misy an’i Dada izany ho an’ireo mpomba an-dRavalomanana Marc. Fanontaniana tsy mbola voavaly mazava hatreto ny fotoana hahafahan’ity filoham-pirenena teo aloha ity maneho hevitra malalaka amin’ireo mpiara-dia aminy izay tena manan-danja amin’ny hoavin’ny fiainan’ny firenena Malagasy tokoa.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.