Efa niteny foana izahay, hoy ny mpanao politika, Joseph Yollande, fa tokony handeha mialoha ny fifidianana ny fanorenana ifotony.
Mila ovana ny rafitra. Nampahafantariny sy ireo mpanao politika namany tetsy amin’ny hotely Colbert Antaninarenina moa fa misy ny fivoriana hiantsoana ireo tia tanindrazana rehetra eny amin’ny CCI Ivato anio manomboka amin’ny 10 ora maraina. Hampafahantarina bebe kokoa eny an-toerana ny voarakitra ao anatin’ilay boky mitondra ny lohateny hoe “Madagascar le changement” izay efa nanaovan’izy ireo tolo-dalàna tamin’ny tetezamita farany teo. Teknisianina Malagasy maro, hoy ny fanazavana, no niara-namolavola ity boky ity kanefa dia ambasady vahiny no nasaina nanolorana azy voalohany tamin’ny fotoan’androny. Tsy nanaiky izany ny tenako, hoy i Joseph Yollande, ary dia nesorina tsy ho CST. Fotoana izao tsy hanekena intsony ny fanjakazakan’ny vazaha eto amin’ny tanintsika. Firenena faha-7 be harena indrindra isika kanefa faha-4 amin’ny mahantra. 30 taona amin’izao dia efa miakatra tosidra ny Malagasy satria tsy ampy sakafo raha toa ka 60 taona teo aloha. Ity fihaonana eny Ivato anio alakamisy 13 desambra ity, araka izany, no hijerena ny tokony hatao, hoy ny fanasana.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.