Tsy nahafaly ireo mpivarotra maro etsy amin’ny Petite Vitesse ny fanambarana nataon’ny delege iray amina sektera iray ao amin’ity tsena ity afak’omaly nilaza fa manohana ny kandida laharana faha-13 izy rehetra.
Raisin’ireo mpivarotra ho fisandohana ny safidin’izy ireo, hoy Razafindrakoto Mbolatiana, lehiben’ny tsena ny fanomezana loko politika ny asa fivarotana, asa fameloman’izy ireo vady aman-janaka. Mpivarotra miisa 15 no ao amin’ity sektera hiandraiketana delege iray nanao fanambarana ity izay nananganany fikambanana kely vinaninany iray mihitsy. Mahatratra hatrany amin’ny 10 mahery anefa ny delege ao amin’ny tsenan’ny Petite Vitesse ary an’arivony ireo mpivarotra. Tsy marina ny filazana fa ny mpivarotra rehetra ao amin’ny Petite Vitesse dia manohana ny kandida vonimboasary avokoa.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.