Politique

Mpitsara manao ny tsy mety Tokony hosaziana, hoy ny Me Willy Razafinjatovo


  • Zoma 27 Febroary 2015

Fomba mamohehatra mampiavaka ireo tompon’andraikitra ambony manampahefana Malagasy ny tsy fanajana lalàna. Tsy handefitra manoloana ny tsy rariny anefa ny fitondram-panjakana, hoy ny praiminisitra. Voatonona manokana tamin’ny kabary mafonja nataony ireo sehatra vitsivitsy toy ny polisy, ny zandary, ny fadintseranana ary ny fitsarana izay tsy hatokisan’ny vahoaka Malagasy intsony. Naneho ny heviny mikasika ny lafiny lalàna eto Madagasikara tamin’ny gazety Tia Tanindrazana ny mpisolovava Razafinjatovo Willy. Resadresaka.

 


 


Tia Tanindrazana (TT) : Tsy voapetraka ara-potoana ny «Haute Cour de Justice», ny fahitanao izay amin’ny maha olon’ny lalàna anao ?

Maître Razafinjatovo Willy (MRW) : Andraikitry ny filohan’ny Repoblika ny manangana ny Fitsarana Avo ao anatin’ny 12 volana nanomboka tamin’ny fotoana nianianany, araka ny voalazan’ny Lalàmpanorenana. Tsy voahajan’ny filoham-pirenena anefa io fe-potoana nambaran’ny Lalàna fototra ary tsy misy ihany koa olona ambonin’ny lalàna eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Nandika ny Lalàmpanorenana tsotra izao ny filoha am-perinasa izay ambanin’ny lalàna toy ny olom-pirenena rehetra. Tokony hihatra aminy noho izany ny lalàna dia ny fialany amin’ny toerana misy azy ankehitriny satria tsy nahatanteraka ny adidy nambarany ampahibemaso dia ny fanajana ny Lalàmpanorenana nanoloana ny vahoaka Malagasy. Andrasana rahateo ny fahatsiarovan-tenany fa tsy ilaina adihevitra tahaka ny zava-misy efa iainan’ny firenena ankehitriny.

TT : Raha izay tokoa no mitranga, iza no hitantana ny firenena satria tsy mbola mijoro ihany koa ny Antenimieran-doholona ?

MRW : Tsy maintsy hijerena fomba hafa ny fanoloana vonjimaika ny filohan’ny Repoblika manoloana ny tsy mbola fijoroan’ny Antenimieran-doholona. Azon’ny filohan’ny Antenimieram-pirenena efa voafidy ohatra no mandray izany, araka ny fahitako azy. Ilaina foana anefa ny manaja ny Lalàmpanorenana.

TT : Resabe hatrany ny fomba nanendrena ireo praiminisitra roa nifandimby tao anatin’izao Repoblika faha-IV izao. Adihevitra tsy misy farany ny andininy faha-54 sy faha-72, ny hevitrao ?

MRW : Toe-javatra mampalahelo eto amintsika ny fiverimberin’ny tsy fanarahan-dalàna ary voakasik’izany manokana hatrany ny Lalàna fototra. Raha ny momba ireo andininy roa voalaza ireo indray dia tsy misy afa-tsy ny fanajana azy ireo hatrany am-boalohany no vahaolana. Torak’izany ihany koa ny mahakasika ireo karazana lalàna hafa. Nilaza ny tsy handefitra amin’ny tsy rariny sy ny tsy fanarahan-dalàna moa ny praiminisitra Ravelonarivo ka iaraha-mahita eo izay fomba fiasany.

TT : Ahoana indray ny fahitanao ilay fanambarana mafonja «tolérance zéro» nataon’ny lehiben’ny governemanta farany teo ?

MRW : Tsara sy mendrika ny hotohanana ny fahavononan’ny praiminisitra saingy tsy ilaina ankalazaina be tahaka ireny amiko ny fandraisana andraikitra hotanterahan’ny fahefana mpanatanteraka. Efa voafaritra ao amin’ny Lalàmpanorenana rahateo ny andraikitra sahanin’ireo mpitondra fanjakana tahaka ny filohan’ny Repoblika sy ny praiminisitra ary ireo filohan’ny Antenimiera roa tonta. Anjaran’izy ireo fotsiny avy eo no mifehy sy manatanteraka izay voalazan’ny lalàna.Tsy vitan’ny mandiso fanantenana mantsy ny vokatr’ireny kabary mipoapoaka ireny fa tena mahatafintohina rehefa tsy arahina asa. Mahafantatra tsara ireo tompon’andraiki-panjakana ambony fa misy ny tsolotra, ny fahafantaran’olona, ny tsindry bokotra ary ny teritery eo anivon’ny fitsarana eto Madagasikara ka miandry ny fampiharana ilay tsy fandeferana manoloana ny tsy rariny ny fiarahamonina Malagasy izay tsy mahatoky intsony ity sehatra iray ity.

TT : Aminao, inona no vahaolana maharitra hamerenana ny fahatokisan’ny olona ny fitsarana ?

MRW : Tsy mifampatoky intsony na izahay samy ao amin’ny fitsarana aza satria hita avokoa by zava-misy sy mitranga ao. Tsy ny rehetra kosa anefa no voakasik’izany fa tena misy ireo manatanteraka ny asany ara-dalàna saingy tsy afa-manoatra nohon’ny baiko midina avy any ambony. Ilaina amiko ny fahafahana sy fahalalahan’ny tontolon’ny fitsarana. Mila fepetra fifampifehezana mifanindran-dalana amin’izy io anefa hisorohana ny fihoaram-pefin’ireo mpitsara. Azo raisina, ohatra, ny fisian’ny porofo mazava amin’ireo didim-pitsarana mivoaka. Raha tsy izay no mitranga dia tokony hiakatra filankevitry ny fitsipi-pifehezana na fanasaziana hafa toy ny fanagadrana ireo mpitsara nanao ny tsy mety. Tsara ihany koa raha hatevenin’ireo fiarahamoni-pirenena hafa ny Filankevitra ambonin’ny fitsarana hialana amin’ny fiarovan’ny samy mpitsara.

TT : Farany, ny fahitanao ny fizotran’ny raharaham-pirenena eto Madagasikara amin’ny ankapobeny ?

MRW : Tsy hitako aloha hatreto ny fiovana. Mbola miaina ao anatin’ny maloto sy ny fotaka ny vahoaka. Sahirana sy tsy manan-kohanina ny Malagasy maro an’isa. Nialantsika ny tetezamita mba hametrahana fitondram-panjakana ara-dalàna hanatsarana ny fiainam-bahoaka. Tsy hita taratra ary tsy mbola tanteraka mihitsy hatramin’izao ny fampanantenana nambaran’ny filoham-pirenena efa ho herintaona mahery izao.

Nangonin-dRamano F.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT