Politique

Mpitsara halaim-panahy hangala-bato Mampitandrina mafy ny SMM


  • Sabotsy 22 Desambra 2018

Misy ny fitarainana voarain’ny Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara (SMM) momba ny asan’ny SRMV na ny sampandraharaha mpanangona ny voka-pifidianana isaky ny distrika.

 

 

 Misy ny fanokafana ireo “plis” na ireo karazana valopy mihidy mirakitra ny voka-pifidianana avy amin’ny Birao fandatsaham-bato tsy eo anatrehan’ny mpitsara izay tsy azo atao raha nisy tokoa, hoy ny Filoha lefitry SMM Clément Jaona. Mazava ny andraikitry ny SRMV, izay tokony handray an’io, araka ny andalana 189 amin’ny lalàna mifehy ny fifidianana fa hatao ampahibemaso ilay izy, ary hatao ny fitanana an-tsoratra ny zavatra niseho rehetra. Tsy tokony hisy ny hadisoana. Tsy tompon’ady amin’ny politika fa antoky ny fahamarinan’ny fifidianana sy ny fahamarinan’ny latsa-bato sy ny voka-pifidianana azo avy amin’ny birao fandatsaham-bato tsirairay ny mpitsara, hoy izy. Ny tena olana misy, matetika tsy misy fanamarihana ao anatin’ny PV kanefa ny solontenan’ny kandida dia manan-jo hametraka ny zavatra hitany rehetra, miainga eny amin’ny Birao fandatsaham-bato nanomboka ny fisokafany hatramin’ny fikatonany toy ny fifidianana tsy nijerena kara-panondro, ny zava-misy tany amin’ny SRMV toy ny fisian’ny fanokafana ny “plis” tsy nifanaraka ny lalàna,…. Zo feno anefa ny fametrahana ireo fanamarihana sy ny fitaterana ny zava-misy rehetra, araka ny voalazan’ny andininy faha-177 ao anatin’ny lalàna mifehy ny fifidianana. Ny tatitra ao anaty PV momba ny fandikan-dalàna na zavatra heverina ho tsy ara-drariny no hodinihin’ny HCC. Miantso ny tsy fitanilan’ny mpitsara ny eo anivon’ny SMM. Tsy te haheno izahay hoe misy mpitsara any  voatonontonona amin’ny raharaha tsy madio, hoy hatrany ny filohany, ary raha misy izany dia izy ireo no handray an-tanana handefa ny raharaha eny anivon’ny filankevitra ambonin’ny mpitsara na ny CSM.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT