Miha goavana hatrany ny kihon-dalana lalovan’i Madagasikara tao anatin’ny tantara rehefa mijery ny fiainana politika nolalovantsika tao anatin’ny 60 taona.
Niaraha-nahalala fa in’efatra nandalo fanonganam-panjakana isika ary taty amin’ny taona 2009 dia zary kolontsaim-pirenena mihitsy ny maka fahefana amin-kery. An-kavitsiana, raha misy, ny lalàna nampiharina tamin’ireo manampahefana hita nazava fa nandika ny lalàmpanorenana raha tsy hilaza fotsiny mikasika ny filoham-pirenena tsy nahatafatsangana ny fitsarana ambony tao anatin’ny fe-potoana ara-dalàna. Teo ihany koa ny savorovoro nitranga mikasika ny lalàna mifehy ny serasera sy ny raharaha fampiatoana praiminisitra sy filoham-pirenena tamin’ny fotoanandrony (motion de censure et dechéance). Samy miaiky ny rehetra fa tsy tomombana avokoa ireo karazan-dalàna misy eto amin’ny firenena ary samy ilana fanorenana ifotony. Iankinan’izay fanarenam-pirenena izay ny mpitondra vaovao eto Madagasikara ho lany eo ary raha tsy hain’ny Malagasy ny mifidy azy dia izay vao tena hirodana tanteraka ny firenena. Na ny fanabeazana, indrindra ny fanabeazana maha olom-pirenena ireo taranaka aoriana aza dia mety tsy ho azo antoka intsony, raha ny fizotran’ny toe-draharaha hatrany no jerena.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.