Politique

Mpitondra sy kandida 26 Manao moana sy marenina


  • Sabotsy 27 Oktobra 2018

An-daniny, mamerimberina fa fikasana hanemotra fifidianana no anton’ny fitakian’ireo kandida ho filoham-pirenena miisa 26 hanokatra ny lisi-pifidianana amin’izao andro vitsy tsy hahatongavan’ny 7 novambra izao.

An-kilany, ireo kandida dia nanamafy hatrany ary mbola nanamafy omaly fa tsy olana ny datin’ny 7 novambra raha hanatontosana ny fifidianana fa mila iverenana sokafana haingana fotsiny aloha ireo lisitra izay efa hita fa feno hosoka toy ny anarana verin-droa marobe. Eo koa ny fisian’ireo biraom-pifidianana nofinofy, izany hoe tsy misy akory fa lazaina ho misy. Dia samy manao moana sy marenina eo ireo mpitondra sy kandida 26. Azo antoka 90% fa antso an’efitra no hotontosain’ireto kandida ireto izay nanomboka ny dingana fanaterana isaky ny andrim-panjakana ity fangatahan’izy ireo ity nanomboka omaly satria dia nazava koa ny tenin’ny praiminisitra ny alarobia teo fa tsy hisy fiantraikany amin’ny fifidianana mihitsy ny hetsik’izy 26 mianadahy ireto.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT