Politique

Mpitondra mivaralila hanapotika firenena


  • Alakamisy 31 Jolay 2014

Mivoaka miditra tahaka ny lelon-jaza ! Izay no azo hamaritana ny fomba fiasan’ity fitondrana nisantatra ny repoblika fahefatra ity. Toa sady mitondra no manao fanazaran-tena hoy ny sasany.

. Ny hafa dia mahita fa andraman’ny mpitondra avokoa ny zava-drehetra dia ho hita eo izay atao avy eo. Ekena fa misy ny vinan’ny filoham-pirenena, fototra niaingana tamin’ny fandrafetana ny fandaharanasa ankapoben’ny fanjakana izay hotanterahan’ny governemanta. Ilay fomba fiasa mihitsy anefa no hita izao fa tsy izy. Ka na fandaharanasa faran’izay mety indrindra aza no tonga eto Madagasikara dia hahantra ihany ny Malagasy satria ireo mpitantana ny firenena mihitsy no tsy mahavita azy. Fisehosehoana sy fizahozahoana no betsaka, fa tsy misy ny zava-bita mivaingana tena maharesy lahatra ny olona. Azo antoka fa ny fahafantarana ny fahalemen’ny antoko eo amin’ny fitondrana no mahatonga ny fihazohazoan’ny mpitondra amin’ny fanatanterahana ny fifidianana kaominaly. Tany amin’ny volana septambra 2013 anie dia efa fantatra fa ny taona 2014 no tsy mainsy faranana ny tetiandrom-pifidianana ka tanterahana ny fifidianana ben’ny tanàna e ! Nandray fahefana ny filoha ny janoary 2014, efa hiditra amin’ny volana aogositra isika izao dia tsy mbola fantatra ihany ny datin’ny fifidianana kaominaly. Fandrebirebena saim-bahoaka no betsaka, zavatra efa fantatra fa tsy ho vita ao anatin’ny 12 andro no aroso hodinihan’ireo depiote. Sa ve efa paikady hampitomboana ny fotoam-pivoriana tsy ara-potoana sy ny tambin-karama horaisin’ny depiote izy ity, ka amin’izay milamina ny fandaniana ireo volavolan-dalàna. Mety variana amin’ny paikady politika hametrahana ny olony sy hifehezana ny rafitra rehetra misy eto ny mitondra, kanefa miha sahirana hatrany ny vahoaka ao anatin’izany rehetra izany. Mampanontany tena mihitsy indraindray hoe : mba misy mpitondra ihany ve eto Gasikara, ary mba mifampiresaka sy mampitovy tadin-dokanga ihany ve ireo mpitondra ireo sa dia samy manao izay tiany ? Ka tsy ho fahoriana tsy roa aman-tany ve izany ho hiainana eto ato anatin’ny efa-taona manaraka , raha izany no izy ? Ka ny ao an-tampony mihitsy tsinona no mivaralila !

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

Hijery ny tohiny
FTT