Politique

Mpitondra fanjakana Tsy mazoto mijanona eto an-drenivohitra


  • Talata 22 Mey 2018

Tsy maintsy misy olona na sokajin’olona mitabataba sy mitaraina isan’andro noho ny afitsoky ny fitondrana ankehitriny. Vao mainka nanamafy izany ny zava-misy eo amin’ny lafiny politika sy ny andrim-panjakana. Manoloana ny zava-niseho ny talata lasa teo tao amin`ny Lapan`ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina dia tsy dia re feo teto an-drenivohitra intsony ireo mpitondra fanjakana ambony.

 

 Nahatsiaro nitafy henatra tokoa izy ireo nandritra an`ilay fizaram-bary nivadika korontana ka naleon`izy ireo nanaraka ny filoham-pirenena nitety faritra tany Ambato Boeny ny alakamisy lasa teo. Tsy sarotra tokoa mantsy any amin`ny faritra no mandefa sy manakarama mpanakorontana ary ampisalorina ny anarana hoe TIM sy Mapar izy ireny. Moramora kokoa ny manakarama ireo olon`ny HVM hitsena ny filoha Rajaonarimampianina ka entina milaza fa misy mpitia ilay efa haloan`ny vahoaka nifidy azy efa-taona. Mieritreritra angamba izy ireo fa bado ny Malagasy ka azo ambakaina dia atao an-tsokosoko mba hahamora ny fanendrikendrehana avy eo. Tsy mahagaga satria ireo minisitra aza dia efa lavin`ireo mpiasam-panjakana sady tsy voafehy amin`ny ramatahora intsony. Ohatra, ny minisiteran`ny asa, ny asam-panjakana ary ny lalàna sosialy izay mitaky ny fialan`ny minisitra Maharante Jean de Dieu. Nanamafy hatrany anefa ireo depiote 73 fa ny fanafahana ny tanindrazana dia tsy maintsy ho tanteraka ary tsy ampinoana fotsiny ihany fa amin`ny fahatokisana tanteraka ny hetahetam-bahoaka. Tsy an'i Iarivo fotsiny ity tolona ity fa an`i Madagasikara tia hiavotra sy hitolona amin`ny fahantrana lalina napetrak`ireto fahavalom-bahoaka amin`ny fitondrana HVM sy ny ekipany. Tsy asiana resaka betsaka ny ratsy efa vitan`izy ireo tamin`ny tany sy ny lalàna saingy efa hitam-poko sy hitam-pirenena.  Dia hieritreritra ve izy ireo fa tsy ho azon`ny rehetra veroka ny zava-niseho marina nandritra ny fanentanana nataon`ny depiote 73 teto an-drenivohitra ?

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT