Raha aravona dia tokana ny tanjona iraisan’ireo mpitolona eny amin’ny kianjan’ny 13 mey.
Tsy inona akory fa ny fitakiana ny fametraham-pialan’ny filoham-pirenena, Hery Rajaonarimampianina. Indro fanehon-kevitra vitsivitsy.
Tsiry Andriamihantasoa, filohan’ny fikambanana Tanora mandray andraikitra (TMA): “Efa safidinay ny hiaraka amin’ny vahoaka. Tianay mba hoentin’ny vahoaka ny firenena. Mitaky ny fialan-dRajaonarimampianina izahay satria ity fitondrana ity no nampidangana ny vidin-tsolika, nampiakatra ny sandan’ny Euro, nidangana ny vidin-jiro sy ny sisa.”
Jocelyne, Olon-tsotra: “Tapa-kevitra ny hanohana ny tolona tarihin’ny depiote 73 aho satria mila fanovana ny lalàmpanorenana tsy mandeha amin’ny laoniny”. Efa hatramin’ny voalohany aho no teto ary efa nametraka “emploi du temps” mifanaraka amin’ny hetsika mihitsy.
Alain, Olon-tsotra: “Mila ovana amin’izay ny toe-draharaham-pirenena manoloana ny tsy fandriampahalemana, ny kolikoly, ny tsy fisiana asa. Ny manam-bola ihany amin’izao no tafita eto. Tsy tokony hahantra mihitsy isika, raha ny harena ananantsika. Azo atao tsara ny mitsinjara ny 50%-n’ny harem-pirenena amin’ny vahoaka.”
Sareraka, Mpanakanto, mpanao politika: “Raha ny tokony ho izy dia tsy nisy tolona intsony taty amin’ny taona 2018 saingy ny zava-doza dia natambatry ny mpitondra ankehitriny daholo ny fahotana vitan’ny tany aloha rehetra ary nampiany avo 10 heny aza. Tsy nisy fitondrana nandatsa-dra ka tsy niala teto. Hadalan’ny mpiray firenena ny mbola mamela an-dRajaonarimampianina hijanona eo. Tsy tokony hoekena intsony ny famelana handositra fa tsaraina daholo izay nanao ny tsy nety teto amin’ny firenena.
Nanangona: J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.