Mihevitra an`ny Malagasy ho bado angamba ry zareo HVM fa mbola misehoseho ihany taorian`ny fampisehoan-kery ny sabotsy lasa teo tetsy Atsonjombe.
Ny fifidianana ihany no hitarafana ny tena olona mahazaka vahoaka sy olona hametrahan`ny vahoaka Malagasy ny fitokisany, hoy ireo parlemantera mpomba ny antoko HVM. Raha ireny toerana banga ireny ve no hitarafana fa nahazaka vahoaka izy ireo dia ahoana ny eny amin`ny kianja 13 mey ? Tsy vitan`ny miasa ny herin`ny vola amin`ny mpanao kolikoly sy mpividy olona amin`izao ny HVM fa manjaka koa ny lainga amin`ny lany henatra te hampanjaka tokana ny heviny sy ny heriny. Mifanohitra tanteraka amin`izay anefa ny toe-tsain`ireo mpitolona eny amin`ny 13 mey. Efa ho iray volana sy tapany izy ireo no mitaky fanovana ary tsy mitsahatra mitombo ny isan`ireo mpitolona. Ny ankamaroan`ny mpitolona eny amin’ny kianja 13 mey izay nanontaniana anefa dia samy nanamafy fa tsy misy mifampitahotra izany eto ary sahy matoa tonga eny isan’andro. Efa tena resy lahatra amin’ny tolona atao ka tsy handairan’izay tsindry ho avy eo. Efa nisy aza ireo mpiara-mitolona efa lavon’ny bala tena izy ka tsy avelan`izy ireo ho ra raraka an-tany fotsiny tsy misy tohiny ireny. Tsy notambazana vola toy ny HVM ireo mpitolona eny amin`ny 13 mey fa baikon`ny fotokevitra tokoa. N`inona n`inona atao azy ireo dia manana lazon`ady ary mahazaka izay atao aminy rehetra. Raha fehezina, afa-baraka ny HVM sady lany vola ihany koa. Azo ambara fa fandresena ho an’ireo solombavambahoaka 73 niady tamin’ny kolikoly iny tranga niseho iny. Miha mafana, araka izany, ny maripana eo amin`ny tontolo politika eto amintsika.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.