Mitohy ny fifampidinihana miaraka amin’ny fifanakalozan-kevitra ho an’ireo mpitolon’ny Magro isaky ny sabotsy folakandro. Dingana efa vita tao anatin’ny roa herinandro nifamotoanan’ireo mpandala ny ara-dalàna ny fananganana ny birao hitantana ny fikambanana.
Tanjona manaraka kosa ny fifandresen-dahatra eo amin’ireo samy mpikambana ahafahana mandrafitra fandaharanasa iombonana. Hirosoana avy eo ny fandaminana momba ireo laminasa mifototra amin’ny fampandrosoana tsy maintsy hotontosaina aorian’ny fanapahan-kevitry ny besinimaro. Ny fanohanana tsy misy fepetra ny fotokevitra fampivoarana ny fiarahamonina eto Madagasikara ijoroan’ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc moa no anton’ny hetsika isan-kerinandro tanterahan’ireto olom-pirenena mafana fo hatramin’ny taona 2009 ireto eny amin’ny hotely Ny Railovy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.