Tsy mitsahatra mitombo an’isa ireo mpitarika ny antoko TIM avy any Atsimo Andrefana manatevin-daharana ny tolon’ny fanovana etsy amin’ny 13 mey.
Ankoatra ny mpandrindra ny Reg TIM Atsimo Andrefana, Sazalahy Tsianihy, efa teto hatramin’ny niantombohan’ny hetsika 13 mey 2018 sy ny filohan’ny DisTIM Beroroha, Velonasy Rémi, nanampy azy taty afarafara kely dia tonga nanampy azy ireo indray ny filohan’ny DisTIM Morombe, Azady sy ny filohan’ny DisTIM Benenitra, Sévérin Hervé sy Ankazoabo Atsimo, Mamy Benoit ary ny “responsable cadre Atsimo Andrefana”, Samigasy Simon. Nanambara izy ireo fa nijaly tsy nasian’ny HVM hasiny ireo ben’ny tanàna nantsoin’ny HVM niakatra taty Antananarivo satria nianto-tena fa nandosiran’ny parlemantera sy ny minisitra HVM.
Amin’ireo mpitarika ny TIM Atsimo Andrefana ireo ny handikany ny didy navoakan’ny HCC mikasika ny fanalana an-dRajao dia fanapahan-kevitra politika (décision politique) fa tsy fampiharana izay voalazan’ny lalàmpanorenana velively. Na eo aza anefa izany dia mihantona hatrany Rajao fa fiaraha-mitantana no hisy. Ny praiminisitra hotendrena dia eny amin’ny depioten’ny fanovana fa miala daholo ny mpikambana ao amin’ny governemanta tarihan’ny praiminisitra Mahafaly Olivier raindahiny amin’ny fanaovana kolikoly. Aoka ny praiminisitra iraisana hanana fahefana feno, hijoro tsara mba hisian’ny fifidianana madio sy handraisan’ny rehetra anjara. Tokony hohavaozina ny Ceni foibe sy ny rantsamangaika ao aminy izay nitsikombakomba tamin’ny fangalaram-bato nahatsiravina nandaniana sy nahalany an-dRajao tamin’ny 2013 ary nisandoka ho nanana ny maro an’isa teny amin’ny Antenimiram-pirenena ny HVM ka nametraka ireo praiminisitra 3 nifandimby (Kolo Roger, Jean Ravelonarivo, Mahafaly Solonandrasana Olivier). Efa miala Rajao, veloma mandrakizay ny HVM sy ny firongony.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.