Nisy hevi-baovao ara-politika mihitsy nentin’ny AV7 tamin’iny fanamarihana ny tsingerin-taonan’ny zava-nisy tamin’ny 7 febroary farany teo iny, hoy ny Révérand Satrobory. Nanatanteraka fotoam-pivavahana teny amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina moa ny an-kilan’ny AV7 lazain’ny an-daniny fa miaraka amin’ny HVM noho ny fisamatsamahan’ny hevitr’izy
. Nandeha tany ny tenako amin’ny maha raiamandrenin’ny tanàna ahy izay efa 5 taona katroka ny naha ben’ny tanàna « légitime » ahy ka manana andraikitra lehibe amin’ny fampihavanana ny tsy mitovy hevitra aho araka izay efa nataoko tamin’ny fampihavanana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy Atoa Andry Nirina Rajoelina tamin’ny fotoanandrony. Gaga aho, hoy ny Révérend Satrobory raha nandre ny takarivan’iny andro iny, ny 7 febroary 2015 fa nisahotaky ny fizarana vola ny tety amin’ny faritra iva fa nisy, hono, ny nokaramaina hameno ilay efitrano lehibe fanaovana lanonana eny Mahamasina. Gaga koa aho nandre tamin’ny fahitalavitra iray eto an-drenivohitra nilaza fa tokony ho 15.000 Ar no homeny ny tsirairay tany nefa dia lasa 2.500 Ar no voarain’ny tety an-tanàna. Gaga koa ny tenako fa saika nifandramatra ny samy AV 7 teny Ambohitsorohitra noho io fizarana roa io raha tsy nandray andraikitra ilay jeneraly anisan’ny nitarika tamin’ny 2009 nampitony ny rehetra. Nahatsiaro ny fahadisoana tanteraka izy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.