Politique

Mpitantana eto Madagasikara Tsy mahafehy ny politikam-panjakana


  • Alatsinainy 05 Oktobra 2015

Mifototra amin’ny fampandrosoana ny politikam-panjakana izay tsy voafehin’ny mpitantana ny firenena eto Madagasikara, hoy ny tale jeneralin’ny «Institut d’Etudes Politiques Madagascar» Rajaona Davida

 

 

. Mitaky fahalalana miaraka amin’ny fahaiza-manao ny fitondrana ny raharaham-pirenena fa tsy miantehitra fotsiny amin’ny fandrafetana fandaharanasa sy ny fanatanterahana azy. Mampalahelo ny zava-misy eto amintsika fa miroborobo toy ny anana ny fananganana antoko politika sy fikambanana firaisamonim-pirenena nefa tsy misy akony velively amin’ny fiainan’ny mpiray tanindrazana. Sokajian’ny mpitantana ny IEP rahateo ho antoko sy fikambanam-pianakaviana ireto farany fa tsy fiombonan’olom-pirenena mikatsaka ny fampandrosoana ny fiaraha-monina. Anjara biriky mivaingana entin’ity ivontoerana mandalina ny tontolo politika ity moa ny fampiofanana ireo ben’ny tanàna vaovao izay tompon’andraikitra voalohany amin’ny fampandrosoana ny kaominina. Miompana betsaka amin’ny fanamafisana ireo traikefa miaraka amin’ny torolalana fotsiny ihany anefa ny fiaraha-miasa satria efa manana ny fahaiza-manaony ireo olom-boafidy eny ifotony ireo, araka ny fanampim-panazavan’ny tale jeneralin’ny IEP.

Ramano F.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT