Politique

Mpitandro ny filaminana Ara-dalŕna tsara ny fisavana natao teny Namontana


  • Alarobia 10 Jona 2015

Nitondra fanazavana ny zava-nisy afak’omaly alina teny Namontana tamin’ny alalan’ny fanaovana valandresaka ho an’ny mpanao gazety tetsy amin’ny toby Ratsimandrava ny Mpitandro ny filaminana izay notarihan’ny kaomisera Jeneralin’ny polisy, Rakotondraivonona Makera sy ny talen’ny fiambenana sy ny angom-baovao eo anivon’ny zandary, ny Jeneraly Rakotoarison Anthony, omaly talata.

 Ara-dalàna tsara

Fantatra tamin’ny fanambarana nataon’izy ireo fa efa natomboka tamin’iny alin’ny alatsinainy iny ihany ny fanadihadiana rehetra niainga tamin’ilay fiara narahina nentina teny amin’ny toby sy ny baoritra feno vola tao anatiny. Mbola mandeha tsara kosa ankehitriny ny famotorana, hoy izy ireo, ary efa nanaovana tatitra teny anivon’ny Fampanoavana  ny natao rehetra ary nampanarahana ny lalàna velona tsara ny fanaovana izany. Nisy ihany koa ny taratasy mazava avy any amin’ny fitsarana mialoha ny nisavana ny fiaran’ny depiote Lanto Rakotomanga, hoy  hatrany ny fanazavana teny amin’ny Toby Ratsimandrava omaly. Nambaran’ireto tompon’andraikitry ny filaminana ireto fa nihanona tamin’ny lalàna maha solombavambahoaka an’ity depiote ity araka ny voalazan’ny andininy  faha-73 ao amin’ny “alinéa 2”2 ao amin’ny lalàm-panorenana ramatoa depiote sy ireo namany tonga teny an-toerana nefa tsy neken’ireo mpitandro filaminana ny fampiharana izany fa ny resaka fahatrarana ambodiomby no naroson’izy ireo fa tsy maintsy hisavana ilay fiara. Ny fanangonam-baovao azo no niaingana tamin’izao raharaha izao ary efa hatramin’ny alin’ny alahady 7 hifoha alatsinainy 8 jona no nahazoan-dry zareo ny fisiana fikononkononana hanatanteraka talata mainty na “mardi noir” hitovy lenta tamin’ny “lundi noir” tamin’ny taona 2009 ka nitadiavana famatsiam-bola hanatanterahana azy. Tsy nataonay antsirambina izany toe-javatra izany, hoy ihany ireo mpitandro ny filaminana.  Ny tohin’ny famotorana anefa no nambarana na misy hifandraisany amin’izany ireo vola be amina miliara tratra tao anatin’ny fiaran’ny depiote Lanto Rakotomanga. Nomarihan’izy ireo fa efa misy loharanom-baovao arahina ankehitriny hahafantarana ny tena marina ka ny tohin’ny tantara ny hanambara izany.

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT