Politique

Mpitaky fanafoanana fifidianana Mizara ny hevitra


  • Zoma 23 Novambra 2018

Taorian’ny fanambarana notontosain’ireo hery politika maro mitaky ny fanafoanana fifidianana sy firosoana amin’ny fanorenana ifotony tetsy Antaninarenina omaly dia samy

manana ny heviny avokoa ireo mpisehatra politika hita teny an-toerana na dia ny fitakiana fanafoanana fifidianana tsy misy hatak’andro aza no voatonona tao anaty fanambarana.

Rochel Rafanomezantsoa, Antoko FMDD : « Eo anivon’ny HCC ankehitriny ny momba ny fifidianana ka aoka re mba ny marina no hivoaka tsy hisian’ny korontana eto amin’ny firenena. Mahitsy ny resakay. Mety hitera-doza raha tsy ny marina no havoakan’ny HCC raha ny zava-misy ankehitriny. Izay atao na hiverenana hanisana vato aza. Ho tompon’antoka amin’izao izay nahatonga izao zava-miseho izao. Tokony hivondrona ny mpahay lalàna. Rehefa tsy hitanareo izay tena marina dia foano io vokatra io !»

Gaby Vakiniadiana, Antoko Vami: “Aoka tsy hisy hampiasa ny anaran’ny antoko Vahoaka miray fa handray ny andraikitra tandrify ireo mpisandoka izahay. Ny fanorenana ifotony dia tsy natao hialokalofan’ny mpanao ratsy. Marina fa tsy tia ra mandriaka izahay ary mbola mitaky latabatra boribory foana. Ankehitriny ilay olona tena niziriziry no mitaky fanafoanana. Ny tendan-kanina no manao entan-tsy ritra ka tsy hiara-kiasa amin’izany ny VAMI.” 

Nanangona: J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT