Nanatitra ny taratasy filatsahan-kofidiany ho filoham-pirenena teny amin’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na ny HCC omaly alakamisy 16 aogositra ny kandida Mamy Richard Radilofe,
kandida faha-13 nanatitra ny antontan-taratasiny. Mpisolovava izy ary anisan’ny niara-dalana sy niaro ny kandida Jean Louis Robinson notohanan’ny antoko Tiako I Madagasikara tamin’ny taona 2013. Ny antoko RDS (Roso ho an’ny Demokrasia Sosialy) tarihin’i Fetison Andrianirina no manolotra azy. Efa nifaninana tamin’ny fifidianana filohan’ny holafitry ny mpisolovava ny tenany ny taona 2017, ary tafakatra tamin’ny fihodinana faharoa nifanandrina tamin’ny mpisolovava Hubert Raharison, saingy ity farany no voafidy tamin’izany.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.