Politique

Mpisoloky politika


  • Sabotsy 29 Septambra 2018

Izay manao ny tsara, hono, no manaranara. Izay manao ny tsara no tsara fiafara. Fahendrena malagasy koa ny hoe ny ratsy atao loza miantona. Ny soa atao ilevenam-bola.

 

 Mety ho marina ny fiheverana fa izay manana ny vintana tsy diso anjara. Heverina kosa anefa fa tsy voatery ho marina ny filazana fa rehefa feno ka mitobaka vao afaka mizara izany vintana izany. Samy manana ny anjara tandrify azy araka izany ny rehetra. Rehefa tsy mahay misafidy ny fotoana akana izany dia tonga amin’ilay fitenenana hoe diso anjara. Noheverin’ny malagasy hatramin’izay fa mitombona na ho an’ny olombelona tsirairay na ho an’ny firenena iraimanontolo. Diso anjara foana ve i Madagasikara matoa toy izao hatrany isika ? Sao dia ireo mpanao politika kosa no fatra-paka ny tsy anjarany dia ny vahoaka no lasa mizaka ny vokany ? Mampahatsiahy ny tenin’ny mpanao politika iray izay hoe be loatra ny mpisoloky politika eto. Niaina fisolokiana mahafaobe izany mba tsy hilazana hoe avo lenta tao anatin’ny 60 taona i Madagasikara hatramin’izay naha repoblika azy izay. Tsy nampihatra ny politika amin’ny maha fitantanana sy fitadiavana izay hahasoa ny firenena sy fiarahamonina azy fa namily izany ho an’ny tombontsoa manokan’izy ireo hatrany. Malaza sy voizina ankehitriny ny filana ny atao hoe fanorenana ifotony. Raha ny endrika ireo mpitabataba amin’ny haino aman-jery sy ireo mpanao politika, indrindra, ireo kandida ho filoham-pirenena anefa dia hita fa saika efa teo daholo ihany na dia samy milaza ny filàna izay fanorenana ifotony izay daholo aza. Tena hanorina ifotony tokoa ve rehefa tonga eo ireo nampanantena izany za mbola hampiaina fisolokiana vaovao ny malagasy indray ? Hanatanteraka izay heveriny fa fomba fambandrosoana hafa ankoatr’izay ihany koa ny hafa sa hisoloky ny malagasy hatrany ? Ny hirariana dia mba tsy ho diso anjara intsony isika fa ho henika mpitondra tsy mpisoloky politika.

 

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT