Omaly talata 29 mey no natao tetsy amin’ny Ivontoeran’ny Kolontsaina Malagasy Antsahavola ny adihevitry ny mpiantsehatra amin’ny fifidianana nokarakarain’ny ekipan’ny tetikasa “Rindra hisiam-pifidianana lavitry ny hetraketraka” (PEV Madagascar).
Nisy ny lohahevitra noraisina mitondra ny lohateny hoe “vinavina ho fametrahana fitoniana mandritra ny fifidianana eto Madagasikara”. Nandray anjara tamin’ny adihevitra ny mpahay lalàna, mpandraharaha, solontenan’ny CENI ary ny mpitandro ny filaminana. Natomboka tamin’ny fikarohana nataon’i Dr Juvence Ramasy mitondra ny lohateny hoe “fanamafisana orina ny andraikitry ny mpiantsehatra amin’ny fifidinana mba ho fisorohana, fitantanana ary famahana ny disadisa” ny adihevitra. Tanjona ny fampitomboana ny fiaraha-mientana eo amin’ny samy mpisehatra amin’ny fifidianana, mba hampirindra ny asa, izay miompana amin’ny hisian’ny fifidianana ao anatin’ny filaminana, ny fifanajana ary ny fifanakalozana. Eo ihany koa ny fifanakalozan-kevitra mikasika ireo vahaolana sy lalana azo irosoana ho fanamafisana orina ny fitoniana. Mifanindran-dalana amin’ity adihevitra ity ihany koa ny fiofanana atao ho an’ny mpanao gazety mandritra ny 3 andro mitondra ny lohahevitra hoe “fanaovan-gazety manoloana ny hetraketraka ara-pifidianana”.
Tsiry
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.