Politique

Mpikamban’ny HCC Misy mandrahona ho faty ?


  • Zoma 04 Janoary 2019

Maro be ny fitoriana napetraka eny amin’ny HCC. Ny votoatin’izay voasoratra ao anatiny anefa no zava-dehibe. Raha izaho mpisolovava ity aza no nanao an’io, dia « requête » iray monja kanefa mafonja no napetraka tao, hoy ny mpisolovava Hanitra Razafimanantsoa.

 

 

 

 Hala-bato faobe no nisy ka azon’ny HCC atao tsara mihitsy ny manafoana ny fifidianana. Ny kandida laharana faha-13 noho ny fandikan-dalàna maro be nataony dia azo ahintsana. Aza ampianarinareo didy aman-dalàna izahay fa avia aty ianareo hampianarinay, hoy ny solombavambahoaka Hanitra Razafimanantsoa mantsy ny mpamendrofendro sy ny mpanao hosoka. Efa nisotro “ny aleoko maty” isika, tsy misy matahotra hamaky bantsilana ny tsy mety eto, hoy hatrany izy. Fantatray fa misy olona mampihorohoro sy mandrahona ho faty ireo mpikambana ao amin’ny HCC, hoy izy. Vonona hiaro anareo ao amin’ny HCC izahay amin’ity ady amin’ny tsy fahamarinana ity, hoy hatrany ny depiote Hanitra Razafimanantsoa. Navoaka teny an-kianja omaly tamin’ny alalan’ny “écran géant” na fafana goavana ny ampahany tamin’ny porofon’ny hosoka, toy ny fanovana ny fitanana an-tsoratra na ny PV, izay ireo misy hosoka na novana dia ny “PV Scannés” no namoahana ny vokatra. Ny sonian’olona iray na lavotondro iray mifidy amin’ny anaran’ny olona marobe, ny fampitomboana ny isan’ny mpifidy voasoratra anarana, ary ny taham-pahavitrihana nihoatra lavitry ny 100% ny sasany izany hoe nisy bileta marobe nasisika ho an’ny kandida 13. Tena maro be ny hala-bato manerana ny nosy, ny olona pahana ihany angamba na efa tena minia tsy mijery na tsy mahita ireo. Ankoatra ny hala-bato sy ny fanaovana hosoka dia nisy herisetra, fikasihan-tanana, famonoana olona, fandrahonana delege, ka tsy maintsy alefantsika eto amin’ny “écran géant” isan’andro ireo porofon’ny hala-bato mandra-pivoakan’ny fanapahan-kevitry ny HCC, hoy ny eny an-kianja. “Adala ve ireo avy any amin’ny faritra maro mitondra ny porofona hala-bato ? ”, hoy ny K25.

 

Ny talata 8 janoary izao amin’ny 3 ora tolakandro eny Ambohidahy, no hamoaka ny voka-pifidianana ofisialy ho an’ny fihodinana faharoa tamin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT