Politique

Mpifidy matoatoa Manomboka mivoaka ny porofo


  • Alarobia 24 Oktobra 2018

Manomboka mivoaka tsikelikely ny porofo amin’ny mety hisian’ny hala-bato bevata amin’ity fifidianana ity, sy ny fisiana mpifidy matoatoa.

 

Efa nisy niresaka matetika fa misy mpifidy tsy Fanta-piaviana any amin’ireny biraom-pifidianana ireny. Isan’ny nanamarina izany ny tao Vakinankaratra raha ny hita satria raha nisy fizarana ny karam-pifidianana hoan’ny fokontany iray dia voaporofo fa misy olona tsy fantam-piaviana nahavitana karam-pifidianana tao amin’ilay fokontany. Voaporofo mantsy fa nisy tokatrano iray, Lot 0912 F 1…,dia nahitana olona 13 tsy mipetraka akory ao amin’io adiresy io nahavitana karam-pifidianana kanefa dia manodidina ny 10 ihany ny olona tena tokony hifidy ao amin’io tokatrano izay misy mpanofa trano maromaro io. Mbola vao io tokatrano iray io fotsiny moa no nahitana ity hosoka ity dia efa misy izay olona 13 amboniny izay fa ny tokatrano hafa sy ny any amin’ny fokontany hafa dia heverina fa ho tahatahak’izay ihany koa. Raha ny resaka efa niely tao Vakinankaratra dia efa nisy nanambara fa misy olona 50 isaky ny biraom-pifidianana no tsy mponina ao amin’io biraom-pifidianana io fa nanaovana karatra hifidianana ihany mba hangalaram-bato. Mikasika ny lisi-pifidianana, izay heverina ho endrika hahafaha-mangala-bato, dia anisan’ny namoaka fanadihadiana ny antoko ZAMA (ZAnak’i MAdagasikara), fa misy ny mpifidy matoatoa hatrany amin’ny 2 064 331 noho ny fanabontsinana lisitra, raha halalinina. Tany Androy, ohatra, 203 004  ny mpifidy voasoratra anarana tamin’ny 2013, ary lasa 314 031 tamin’ity, niampy 111 027. Any Atsimo Andrefana kosa dia 387 980 tamin’ny taon-dasa ary 551 837 ankehitriny, izany hoe 163 857 izany hoe nisy fiakarana,... kanefa toerana an-kodahoda sy tsy mandry fahalemana . Raha raisina ny taham-pahavitrihana tamin’ny fifidianana farany dia 35 hatramin’ny 40%-n'ny olona tao anaty  lisitra no tonga nandrotsa-bato, ka 3 500 000 hatramin’ny 4 000 000 no totalin'ny isan'ny mpifidy rehetra manerana an'i Madagasikara, raha hiaingana io antontan’isa io. Tafiditra ao anatin'io ireo "mpifidy matoatoa". Mba ho tonga dia voafidy amin’ny dingana voalohany dia 1 750 000 hatramin’ny 2 000 000 ny vato ilain'ny Kandida iray. Mazava ho azy fa mandresy avy hatrany izay mahazo ilay heverina ho mpifidy matoatoa 2 064 331. Raha 24 430 000 ny isan’ny Malagasy dia 9 913 599 ny isan'ny mpifidy voasoratra ao anatin'ny lisi-pifidianana. Ny 51,5% amin’ilay isam-bahoaka 24 430 000 no mihoatra ny 18 taona, izany hoe: 12 581 450 eo hoe eo izany no manome 100% amin’ny mpifidy, ka ilay 9 913 599 io dia efa manome 79% any ho any ny ambara fa taham-pisoratana anarana, izay tsy azo inoana velively.  Vitsy ny mpifidy 18-35 taona ao anatin'ny lisi-pifidianana kanefa dia ao anatin'ny salan'isan-taona ireo no maro an'isa indrindra eto Madagasikara.

 

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT