Manomboka mipoitra tsikelikely ankehitriny ireo fomba filalao politika nahazatra isaky ny vanim-potoam-pifidianana tahaka izao.
Manoloana ny zava-misy anefa dia heverina fa efa samy nahazo lesona tamin’ny tantara lasa rehetra ny ankamaroan’ireo mpifidy ary ho samy tompon’andraikitra amin’ny ataony ny tsirairay. Efa be no nolalovana ary antenaina fa hahamatotra kokoa ireo mpifidy amin’ity indray mitoraka ity amin’izay ireny zava-niseho nanomboka ny taona 1972 nandalo ny taona 1991 sy 2002 ary 2009 ireny ka tsy hisy iteny indray aoriana kely ao hoe natao fitaovana. Raha tsy ho matotra amin’izao ny mpifidy Malagasy dia azo antoka fa tsy ho matotra intsony.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.